airtel

Sosialy

09-janv-2024

Lasibatra indray Ikongo

Namono olona maromaro ny oram-be sy tafio-drivotra

Sample post image

Lasibatra indray Ikongo ! Olona 5 no namoy ny ainy tany Ikongo,

09-janv-2024

ary trano rava vokatry ny andro atsy harivan’ny alahady 07 janoary 2024 lasa teo, raha ny vaovao avy any an-toerana. Raha ny vaovao avy any an-toerana, anisan'ny namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray lehiben'ny sampan-draharahan'ny hetra ao Ikongo. Lasan´ny rano ity farany ka hita faty tsy lavitry ny tanána. Renim-pianakaviana sy ny zanany telo ihany koa no maty nihotsahan´ny tany, hoy ny tatitra. Ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC kosa nilaza tamin’ny alalan’ny Tale jeneraliny Atoa Elack Olivier Andriakaja nilaza omaly 08 janoary 2024 fa trangana fahafatesana 3 no nahazoan’izy ireo fanamarinana ny momba ny anarana sy ny toerana misy azy. Maty noentin'ny rano ireo olona ireo, raha io tatitra io. Ankoatra an'Ikongo nahitana fahafatesana olona 4 tao Beroroha, 3 tao Manakara ary iray tao Vohipeno, araka ny tatitry ny BNGRC. Nitera-doza ny orana nikija narahina rivotra nifofofofo ny izay niteraka fihotsahan'ny tany ary koa nandrava toeram-ponenana maro, ka anisan’ny tana lasibatra Ikongo, izay ankoatra ny maty sy ny fananana simba, dia nisy ny naratra. Raha teto amin’ny Nosy, anisan’ny iharana zava-doza samihafa matetika na ara-boajanahary na ara-politika, na ara-piarahamonina sy ara-tsosialy ny distrikan’Ikongo. Anisan’ireny ny faraharatsian-dàlana izay mampitoka-monina tanteraka. Ny hanohanana izay tonga hatrany amin’ny resaka fanomezana ny zanaka ho tezain’olon-kafa izay lasa resabe. Ny tsy fandriampahalemana toy ilay raharaha vono olona mahatsiravina niteraka fikorontanam-piarahamonina izay nisiana fikasana hanao fitsaram-bahoaka ka nitifirana olona nahafatesana manodidina ny telopolo,… Tahaka izany ihany koa ilay resaka fizarana fanampiana nafatra tamin’ny kapsily sy sotro, ny fahasahiran’ny mponina izay eo am-pilaharana fanampiana no misy mitambotsotra noho ny hanohanana. Isan’ny niteraka tsy fitovian-kevitra tmin’ny mpitondra ankehitriny ny filazana fa raha alahatra ny tokony ho laharam-pahamehana, dia tsy ny teleferika no maika fa ny fanamboarana ireo làlana mampifandray ireo distrika. Rehefa potika sy ratsy ny làlana, dia miakatra ho azy ny vidim-piainana satria tsy afaka mifamezivezy ny vokatra sy ny entana ilain’ny mponina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap