airtel

Sosialy

26-janv-2024

Lonilonim-piarahamonina

Ny lehibe no miady dia ny zaza no « noborkena » tamin’ny sigara

Sample post image

Tena mitarika olona iray hanaotao foana ny hatezerana rehefa tsy voafehy.

26-janv-2024

Zaza tsy manan-tsiny iray vao 2 taona monja ny Talata lasa teo no fantatra fa noborkena Rangahy iray tamin’ny sigara nirehitra ny tarehiny rehefa nifamaly taman’olona tao an-tananany momba ny lakandrano tsentsina ny anaolahy. Tao Ambatotokana Fokontany Antanetibe kaominina ambanivohitr’i Talatamaty no nitrangan’izany ka nihiakiaka nitomany ilay zaza no sady lasa namonjy ireo Ray aman-dReniny. Tsy nijery fotsiny izany zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty fa nisambotra avy hatrany ilay lehilahy nandratra nandratra ity zaza ity. Marihinay etoana fa efa ratra izany hoy izy ireo ary efa herisetra ihany koa ka melohin'ny lalàna. Natao fanadihadiana moa ilay lehilahy taorian’izany. Mikasika ilay lakandrano tsentsina kosa dia samy niezaka ny nanao ny faritra misy azy ny rehetra tao amin’io tanana io hisorohana ny mety hisian’ny tondra-drano amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy sy ilay zaza noborkeny tamin’ny sigara ny tarehiny !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap