airtel

Sosialy

03-mars-2025

Mahabako monina eto Antananarivo

Hanamafy firaisankina hampandroso ny sosialy

Sample post image

Ho fanamafisana ny fijoroan'ny fikambanana MA.MO.A na Mahabako monina eto Antananarivo

03-mars-2025

dia ny 6 aprily 2025 ho avy izao no ho tontosaina ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taonan’ny fikambanana, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Ho fanamafisana ny firaisankina sy fanentanana ny zanaka am-pielezana avy amin’ny kaominina Mahabako, distrikan'i Manakara sy ny manodidina mba hanatevin-daharana ny fikambanana sy handray anjara amin'ny asa fampandrosoana ara-tsosialy, no isan’ny anton’izany ihany koa, izany hoe hanamafy firaisankina hampandroso ny sosialy, hoy ny fanazavàna. Nilaza ny filoha lefitra, Rakotovelonjanahary Jean Cendri, fa ny tombony ho an'ny olona miditra anatin'ny fikambanana tahaka izao ankoatran'ny fahafantarana ho an'ny taranaka avy amin'ny faritra Mahabako sy ny manodidina dia ny fifampitsinjovana sy fifanohanana raha sanatria ka mitranga ny fahasahiranana sy ny voina aty an-drenivohitra. Tsiahivina fa ireo zanak'ampielezana mitady ravinahitra avy amin'ireo kaominina manaraka ny renirano Onilahy, distrikan'i Manakara, faritra Fitovinany, ao anatin'izany ny Fenomby, kaominina Vohimanitra, kaominina Saharefo, kaominina Ampasimboraka, kaominina Tsifenokataka no voakasiky ny fanentanana. Mbola ho tapahina mandritry ny fivoriana izay hotanterahina ny 16 martsa izao ny toerana hanatanterahana ny fety ary afaka manantona etsy amin’ny foiben-toerana Ambohijatovo ny olona liana hiditra ao anatin'ny fikambanana, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Ampiana sy tohanana ireo tanora mitady

Card image cap
06-mars-2026

no lohalaharana eto amintsika

Card image cap