Fokontany Antohomadinika Afovoany ny sabotsy teo ny ekipan’ny Fitaleavana ny Raharaha Sosialy eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, notarihin-dRamatoa RANDRIANIRINA Elisa, vadin’ny Filoham-panjakana, niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpanolotsaina ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanora GEN-Y. Nifantoka tamin’ny faritra iva izay tena mila jerena manokana amin’izao fotoam-pahavaratra izao, ka tsy nitazam-potsiny fa niasa, nanome ohatra ho an’ny rehetra. Nivatsy fitaovam-piasana sy kojakoja maro samihafa toy ny borety, kifafa, rateau, fourche ary sobika, hanaovana asa fanadiovana sy hapetraka hahafahan’ny fokontany manohy sy mitandro ny fahadioavana.. Nanadio tatatra mirefy 700 metatra tamin’ny alalan’ny « Tagnamaro », ka olona manodidina ny 1000 no niara-nisalahy nanala fako tao amin’ny “dépôt sauvage” sy nanadio ny manodidina, indrindra ny tao amin’ny fokontany Antohomadinika, Antohomadinika Centre, Antsalovana, Andranomanalina, 3G Hangar ary ny lalam-by sy ny manodidina. « Natao izao hetsika izao mba hamporisihana ny rehetra handray andraikitra amin’ny fanadiovana sy fikolokoloana ny manodidina, mba ho Antananarivo madio no iainana ary Madagasikara madio no ho reharehantsika », hoy ny vadin’ny Filoham-panjakana. Na dia miaina anatin’ny fahasarotana aza ny firenena amin’izao fotoana izao, dia naneho hafaliana izy tamin’ny fizarana fanampiana ho an’ny mponina, toy ny vary, vola, kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ary akanjo fitafy, taorian’ny asa niarahana nanao. Andaniny, nilaza kosa ny sefom-pokontanin’Antohomadinika Afovoany, Ramiaramanana Jean, fa sambany izao vao misy manam-pahefana midina ifotony mijery sy mamonjy azy ireo, satria hatrizay dia fikambanana no hita. Faly ny vahoaka hoy izy satria sady ho afaka ny fako, madio ny tanàna, no nahazo asa sy fanampiana ihany koa. Nohazavainy hatrany fa ny fivoahan’ny rano no tena olana amin’izao fotoanan’ny orana izao, ka maniry ny mponina ny mba hitohizan’ny asa fanadiovana isam-pokontany fa tsy hijanona amin’ity hetsika tokana ity.
Toky R