Ny fananan’ny olombelona iray kopia mari-pahaterahana anefa no hahafahany mandia ny varavaran-tsekoly, hahafahany manao kara-panondro sy mifidy rehefa feno 18 taona izy….Hiara-kiasa hanampiana ireo ankizy mbola tsy manana izany kopia mari-pahaterahana izany noho izany ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny OIF na ny Organisation Internationale de la Francophonie. Vita sonia omaly ny fiaraha-miasa eo amin'ny eo amin’ny roa tonta, notarihin’ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana ny Minisitry ny fitsarana, Rtoa Randriamanantenasoa landy mbolatiana. Hanomboka any amin’ireo kaominina miisa 10 mandrafitra ny faritra Itasy izany fanomezana sora-piankohonana izany ho an'ny ankizy miisa 4000.
Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahina omaly
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoarana,
Lehilahy lehibe iray no hita tsy nahatsiaro tena nanoloana ny «bord»