Tena betsaka ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly mirihariha eny anivon'ny fiaraha-monina eny. Amin'ny ankapobeny dia samy manana ny olana sedrainy izy ireny. Ao ireo kamboty, ao ireo narian-dRainy raha misy koa ireo mañana Ray aman-dReny ihany saingy maro iraitampo hany ka voatery miato tsy fidiny amin'ny fianarany ny sasany. Ho an-dRtoa Mino dia miisa 4 ny zaza naterany. Maty vady izy ka vao 6 volana monja ny zanany farany. Iray ihany ny zanany mianatra amin'izy 3 mianadahy lehibe ireo. Tena tsy arako ny famelomana sy ny fampianarana azy ireo hoy izy rehefa nanontaniany. Sasa lamba mantsy no hany asa fivelomany. Misy lamba sasana anio dia mihinana, tsy misy dia mijanona sy mikombona ihany koa ny vava. Mbola ny fianakaviany raha araka ny fanazavany no miantoka io zanany voalohany mba afaka mianatra io. Ny roa ambiny mbola baraingo amin'ny taom-pianarana ho avy io. Raha tsiahivina anefa dia ankizy tsy afaka manohy ny fianarany intsony ny ankamaroan'ireny miloka sy mandehandeha tsy misy mpifehy eny anivon'ny fiaraha-monina ireny. Ho an'ireo tovovavy kely dia mihafara amin'ny fivarotan-tena sy ny fitondrana vohoka tsy niriana izany izay mbola olana hafa koa. Ny tovolahy kely mifoka rongony dia manendaka ary aveo miditra any am-ponja. Mitaky fandraisan'andraikitra matotra avy amin'ny Ray aman-dReny izany. Manan-jo hovelomina, hianatra, hotsaboina....mantsy ny ankizy. Tokony ho ferana ihany koa ny isan'ny zaza ateraka mba tsy ho lasa ankilabao ny sasany ka lasa sorona ny fiainan-ko ho aviny.
Pati
Légende : Izy no Rtoa Mino, Renim-pianakaviana miady amin'ny fiainana !