airtel

Sosialy

18-févr-2026

Misy orinasa fetsifetsy

"Mahazo tombony be

Sample post image

fa tsy mampiakatra karama"

18-févr-2026

Nisy ny fifanarahana teo amin'ny vondron'ny mpampiasa sy vondron'ny sendika namaritana ny karama farany ambanin'ny mpiasa eto Madagasikara ho 300.000 Ariary, hoy ny filohan'ny Valaben'ny sendika eto Madagasikara na SSM, Herizo Andrianavalona. Tsy maintsy handalo anivon'ny CNTE na ny filankevi-pirenena misahana ny asa sy orinasa, hoy izy, ny fanapahana na fanintsiana izany. Mbola tsy mipetraka moa nefa hatreto ny CNTE ka miandry ny didim-panjakana momba izany isika. Angatahana amin'ny minisitera tomponandraikitra ny fametrahana haingana izany. Tokony jerena ihany, etsy ankilany, ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina satria ekena hoe arakaraky ny famokarana sy tombom-barotra azon'ilay orinasa no ahafahany mampiakatra karama. Misy orinasa nefa mahazo tombony be fa satriny tsy mampiakatra ny karaman'ny mpiasa ao aminy. Misy tompona orinasa tena fetsifetsy ka tokony jeren'ireo minisitera tomponandraikitra manokana, na ny minisiteran'ny tetibola io na minisiteran'ny asa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap