airtel

Sosialy

11-janv-2024

Mitohy ny fikasana hanaparitaka vary lo

Niampy 35 gony ireo tratra, misy tambajotra matanjaka…

Sample post image

Taorian’ny fahatrarana ireo vary lo tao Tanandava Toamasina izay avy any

11-janv-2024

amin’ny seranan-tsambo nalefa tamin’ny fitobian’entan’ny mpandraharaha karana, dia vary simba 35 gony hafa saika halefa any Taolagnaro indray no saron’ny mpitandro ny filaminana ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia 10 janoary 2024. Efa tao anaty sambo izy io no sarona, ary fantatra fa vary mitotaly 30 taonina ana teratany vahiny Indo-Pakistanais no nokasaina halefa any Taolagnaro, saingy ny 35 gony tamin’ireo no efa hita imaso tao ifotony fa simba sy mamoaka fofona mahery (Avariés sentant une odeur très piquante et nauséabonde), hoy ny mpitandro ny filaminana. Soa ihany ny Tomponandraikitrin'ny Seranana sy ilay sambo no nampandre ny Zandarimaria tao an-toerana sy ireo Tompon »andraikitry ny Faditseranana, hoy ny fanamarihana. Nandraisana fepetra tsy hihetsika sy tsy azo kitihina ilay sambo sy ireo vary mandrapahavitan'ny famotorana sy didy famotehana. « Ho an'ireo mpandraharaha, ankasitrahana ny fampivoarana sy fampandrosoana entinareo ho an'i Madagasikara, saingy melohina tanteraka sy ho henjehina ny famosaviana ny Malagasy; Anjaranay Zandarimariam-pirenena ny miaro ny Vahoaka ka ho fongorinay izany; Ho an'ny Vahoaka rehetra, samia mailo ka hitsirika tsara vao mividy vary fa sao hidiran-doza; Entanina isika mba hampandre ny Zandarimaria na ny manampahefana akaiky anao indrindra raha mahatsikaritra zavatra mampiahiahy; Efa miezaka mafy ny Fitondram-panjakana amin'ny ady rehetra manoloana ireo fandikan-dalàna miteraka fahalovana toy ny kolikoly sy ny hafa, koa sahia mitoroka fa ho soa iombonana izany », hoy hatrany ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Rehefa zohiana, tena tambajotra matanjaka no ambadik’ity fanapariahana vary efa lo ity, misy teratany vahiny, ary misy Malagasy. Somary manitikitika ihany koa hoe : inona marina no maha taraiky an’ireo vary any amin’ny seranana ka efa lo vao havoaka sa efa avy any ivelany mihitsy ny fahasimbana ? Resaka fifaninanana sy fifamelezana ara-toekarena eo amin’ny tsenan’ny famatsiana entana na koa fifaninanana maloto sy tsy ara-dalàna (concurrence déloyale) ve ka raikitra ny fifamelezana eo amin’ny samy mpandraharaha dia ny vahoaka mety ho lasibatra ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap