airtel

Sosialy

26-janv-2024

MIZANA TSY MANARA-DALANA

Mandeha ny fitsirihana sy ny fandraofana

Sample post image

Maromaro tamin’ireo mizana fitaovam-pandanjana nampiasain’ireo

26-janv-2024

mpivarotra tao amin’ny tsenan’Antsiranana omaly no noraofin’ny tompon’andraikitra. Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy manara-dalana avokoa ny ankamaroan’izy ireny. Misy ireo tsy araka ny fandanjana ara-dalana mihitsy fa feno hosoka raha misy ireo natao tefy manta fotsiny ny sasany no sady feno fanambakana. Tsy vitsy amin’ireo mpanjifa noho izany no mikaikaika rehefa avy mividy hena ka tonga any an-tokantrano. Raha mividy hena 1 kg mantsy ny sasany dia lasa 1 kg latsaka fahefany izany sisa hany ka ireo mpiantsena no voahendrikendrika indrindra moa raha mpanampy an-trano no irahina. Tsy tokantrano iray anefa no lasibatr’izany fa maromaro mihitsy, antony nanosika ny tompon’andraikitra hanao fidinana ifotony. Miisa 30 raha kely noho izany ireo mizana noraofina tao amin’ny tsenan’Antsiranana omaly no sady nahazo fampitandremana ihany koa ireo mpivarotra nampiasa azy.
Pati
Legende : Nandritra ny fandraofana ireo mizana tao an-tsenan’Antsiranana omaly !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap