Maro ireo mpiala sasatra voatery nanemotra ny diany hiazo an’i Mahajanga sy Toamasina noho ny fiakaran’ny saran-dalana. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia hiakatra 60 000 Ar ny saran-dalana mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga, manomboka ny datin’ny 22 jolay ho avy izao raha 50.000 Ar teo aloha. Efa tafakatra 65.000 Ar kosa ny an’ireo koperativa voalaza ho tsara sy matanjaka tamin’iny herinandro iny, ho an’ireo sokajy faran’izay tsotra indrindra. Voakasik’izany manokana ny eny amin'ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse eny Andohatapenaka. Ho an'ny zottra mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina kosa dia hiakatra 35. 000 Ar ny saran-dalana raha toa ka 30. 000 ar teo aloha. Aleon’ireo mpiala sasatra noho izany miazo an’Ampefy…raha tsy maintsy handany vola ihany. Ireo somary kelikely vola sy maro anaka no tena nisafidy ity farany. Noho ny haratsian-dalana sy ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara moa no nambaran’ireo mpitatitra sendra anay fa antony nampiakaran’izy ireo ny saran-dalana.
Pati
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana