airtel

Sosialy

04-févr-2025

MPIVAROTRA ENTA-MADINIKA

Nitombo avo roa heny ny mitady vonjy amin’ny alalan’ny trosa

Sample post image

Vao miandoha ny taona 2025 dia efa hita taratra ny fahasahiranana mianjady amin’ny tokantrano Malagasy.

04-févr-2025

Mahery vaika mihitsy izany raha araka ny fanadihadiana natao tamina toeram-pivarotana enta-madinika iray eny Atsimondrano eny. Nitombo avo roa heny mantsy ireo mpitrosa nila vonjy taminy raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray tamin’iny volana Janoary 2024 nivalona iny. Tafiditry ny trosa hatramin’ireo heverina fa mba manana fiainana mety raha ny nambarany ka ny vary sy ny menaka ary ny savony amin’ny ankapobeny no tena be mpaka. Tokantrano 40 teo ho eo raha araka ny fantatra hatrany no nitrosa tao amin’ity toeram-pivarotana enta-madinika iray ity raha 20 izany tamin’ny volana Novambra sy Desambra taona 2024. Saika amin’izao fiandohan’ny volana Febroary izao avokoa raha amin’ny tapaky ny volana farafahatarany no mandoa ny trosany ny ankamaroan’ireo tokantrano ireo. Nambaran’ity Renim-pianakaviana mpivarotra ity hatrany moa fa aleon’izy ireo misy mitrosa ny entany toy izay hihitsoka fotsiny eo. Mihena isan’andro mantsy amin’izao ny entana vidian’ny olona noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Raha vary 4 kapoaka isan-tokantrano isan’andro mantsy no novidian’ny olona iray tamin’ny volana Novambra teo dia nihena ho 2 kapoakabe izao izany. Lasa mividy menaka tapany ihany koa ireo mpividy amin’ny litatra….Voatery nampihena ny entana alainy ihany koa ireo mpivarotra enta-madinika vokatr’izany.
Pati
Legende : Ny vary sy ny menaka no tena be mpitrosa eny amin’ireny mpivarotra enta-madinika ireny !
 

Dans la même rubrique