Efa 70 ha mantsy sisa amin’izao ny refin’ity farihy ity raha araka ny fanazavan-dRandrianandrasana Augustin, filohan’ny mpanarato eny an-toerana raha nahatratra 108 ha ny tena totaliny teo aloha. Mihena hatrany araka izany ity farihy ity vokatry ny fanotofana tsy ara-dalana hataon’ny sasany, antony nahatonga azy ireo hanao hetsika tamin’ny sabotsy teo. Raha kely mantsy dia fianakaviana manodidina ny 600 isa eo ho eo vady aman-janak’ireo mpanjono sy mpanarato no mivelona amin’ity farihy ity mahazo trondro 2 kg isan’olona isan’andro hamatsiana ny mponina ao Ambohidratrimo sy eto an-drenivohitra. Antsoantso sy kiakiaka, niampy fitsofana kirioka narahin’ny filanjana sora-baventy no nenti’ireo mponina nanehoana ny hatezerany tamin’io andron’ny Sabotsy io ary nanamafisany fa tsy hanaiky hatramin’ny farany izao fanotofana tsy ara-dalana izao izy ireo na iza na iza no ao ambadik’izany.
Pati
Legende : Nandritra ny hetsika notanterahin’ny mponina tamin’ny sabotsy teo
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona