airtel

Sosialy

17-juin-2025

Nitokona ireo mpivarotra ao Ivato

«Tsy mety aminay mpivarotra ny fandravàna ny tantsaha!»

Sample post image

Tsy mety aminay mpivarotra ny fandravàna ny tantsaha sy ny tsenan’Alarobia,

17-juin-2025

hoy ireo mpivarotra eny amin’ny kaominin’Ivato nitokona teny an-toerana omaly! Nampanantenaina izahay ny 11 desambra 2024 fa ho rava ny tsena raha mividy an’i Rakoto saingy tsy ho rava kosa raha mifidy an’i Rabe, hoy ny solontenan’ireto mpivatotra ireto. Rava ihany nefa ny tsena nony lany Rabe. Mandry tsy lavo loha ankehitriny ny tantsaha. Androany mahazo mivarotra, rahampitso tsy mahazo. Amin’ny 5 no asaina miverina nefa amin’izany efa tsy misy mpiantsena intsony. Ny entan’olona lasa simba. Na ilay olona maka entana aza lasa mitaintaina satria manontany foana hoe mahazo mivarotra sa tsia rahampitso? Manaitra ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominin’Ivato izahay hoe ataovy mazava tsara ny rafitry ny tsena! Avelao hivarotra sy hitady vola ny olona fa ny fiainana efa sarotra! Tanteraho ny fampanantenana natao tamin’ireo mpivarotra ireo hoe tsy hanilikilika azy ianareo! Aleo ny olona hitady vola! Aleo hangarahara ny fitantanana ny tsena! Misy koa tsenan’ny olona ara-dalàna no alain’ny sasany fotsiny satria ve rehefa manao ny famantarana maha mpiasan’ny kaominina dia afaka manampatra fahefàna? Tsy ekena koa izany satria misy mpitantana ny tsenan’Ivato. Natao ho an’ny mpivarotra ny tsena. Rehefa tsy aty amin’ny tsena ny andraikitrareo dia aza miditra aty! Tsy tokony hahasahy hametraka olona ato ny mpitaky tapakila na «ticket». Aleo handalo komity foana ny fanapahan-kevitra ary aoka ny komity tsy hanao fanamparam-pahefàna. Manampatra fahefàna ny sasany amin’ireo satria tanan-kavanan’ny ao ambony ao. Tsy ekena ny fakàna entan’olona. Misy sakamalao ato izao dia hoe rehefa tsy mihidy ny gony dia bataina sy alefa amin’ny fanibohana. Tsy ekena izany! Nirava tamin’ny 9 maraina hatramin’izay ny tantsaha dia miverina amin’ny 4 hariva. Nisy nandefa feo amin’izay hoe tsy mahazo miverin-kariva intsony ny tantsaha. Tsy mety aminay ilay amin’ny 5 vao miverina satria amin’ny 5 izany efa maizina ny andro. Rehefa tsy mivarotra izahay dia aleo ijanona eny amin’ny sisiny eny eny ny entanay fa tsy terena indray hoe batao ny entanareo. Hanakarama mpibata entana indray izany ve izahay nefa efa zara raha mampidi-bola? Aoka averina ny tsena alarobia sy sabotsy, hoy hatrany ny fanazavàna!
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap