olan’ny jiro sy rano eto amintsika ny teknika sy angovo nokleary amin’ny alalan’ny Petit réacteur nucléaire modulaire na SMR. Efa vonona tsara amin’izany ny fitondram-panjakana fa ny fisafidianana ny Firenena hiara-kiasa sisa no andrasana, raha araka ny fanazavan’ny Mpanolon-tsaina Avon’ny Fanavaozana ny kolonely Andriamiharintsoa Gervais. Nankalazaina teny amin’ny foiben-toeran’ny INSTN Ankatso na ny ivon-toeram-pirenena momba ny siansa sy teknika ny andro manerantany nokleary omaly Alakamisy 29 Oktobra. Nomarihina tamin’izany koa ny faha-90 taonan’ny Profesora Raoelina Andriambololona izay namorona ny fakiolten’ny siansa sy ny INSTN. Nanome voninahitra azy manokana ny Kolonely Gervais Andriamiharintsoa no sady nankasitraka ny zava-bitany izay marihina fa manam-pahaizana manokana momba ny nokleary no sady efa mpianany tamin’izany fotoana ihany koa ary lasa mpanapa-kevitra eto amin’ny tany sy ny Firenena ankehitriny. Tsy zavatra tokony atahorana intsony ny nokleary noho izany fa azo havadika tsara ho vaika enti-mampandroso ny Firenena amin’ny famatsiana jiro sy rano. Raha tany 1 ha no hampiasaina hampiharana azy dia hahazoana angovo 300 Mgw. Ho an’ny panneaux solaires kosa raha tany 1 ha no hampiasaina dia 1 Mgw fotsiny ny vokatra azo izany hoe : misy elanelany 299 Mgw. Fantatra moa fa raha miaraka amin’ny Firenena Sinoa isika dia 3 ka hatramin’ny 4 taona no faharetan’ny asa. Raha miaraka amin’ny Rosiana kosa dia mahatratra 7 taona eo ho eo izany. Notsiahivin’ny kolonely Gervais Andriamiharintsoa moa fa ny politikam-panjakana amin’ny fampiharana ny teknika nokleary sisa no tsy ampy raha efa nankatoavina tamin’ity taona 2026 ity kosa ny lalana manokana momba ny fampiasana ny angovo nokleary eto amintsika.
Pati
Legende : Ny kolonely Andriamiharintsoa Gervais hotronin’ny profesora Raoelina Andriambololona !