Tsy hitsitsy intsony ny kaominina Antananarivo renivohitra manoloana ireo mpivarotra tsy mahalala manadio ny faritra misy azy. Nanatanteraka fanentanana momba ny fahadiovan'ny toeram-pivarotan'izy ireo ny avy eo anivon'ny kaominina omaly. Na dia efa nampahafantarina sy nangatahana aza mantsy ireo mpivarotra hanadio ny fako sy ny loto ateraky ny asany dia mbola misy hatrany ireo mandà tsy hanatanteraka izany sady naneho fihetsika tsy mendrika tamin'ny tompon'andraikitra. Araka ny fitsipika manan-kery noho izany dia voasazy tsy mahazo mivarotra mandritra ny 15 andro izay tratra no sady mandoa lamandy 50 000 Ariary. Ny hanomezana tontolo madio, milamina ary mendrika ho an'ny rehetra no tanjona. Tafiditra ao anatin''izany ny fampianarana azy ireny hahay hanaja ny manodidina azy fa tsy ho tia tena. Pati
Légende : Tokony hahalala madio tahaka izao ny mpivarotra rehetra !