airtel

Sosialy

01-mars-2024

Raharaha Bas Mangoky sy Base Toliara

«Tsy omenay ny taninay!»

Sample post image

Raha ny mikasika ny faritra Atsimo andrefana dia mbola isan’ny mitana ny sain’ny

01-mars-2024

maro ny mikasika ny raharaha Bas Mangoky sy Base Toliara, hoy ny filoha lefitry ny Fikambanana masikoro arivolahy eto Antananarivo, Elia Rabevahiny. Ilay Bas Mangoky moa izany dia taorian’ilay fanaovana foto-drafitrasa vaovao na «Canal P2» no nampiteraka resabe, hoy izy. Nampanantenaina ireo mponina hoe miato kely aloha ianareo fa misy fotodrafitrasa ho atao eo amin’ny taninareo dia avy eo miverina eo indray ary tsy hisy hanombinana ny tany. Tsy izay anefa no zava-nisy rehefa nitsangana taty amin’ny taona 2023 ilay fotodrafitrasa. Misy ireo mponina tsy tafaverina amin’ny taniny. Nisy nihena ny taniny. Raha nanana 100ha ny sasany dia 1ca na 1,25ca sisa no nomena azy. Nisy nanana 400ha. Zara fa 100ha sisa. Rariny ilay mponina raha mitroatra satria tany naboleny sy ilevanan’ny razambeny io na dia mbola tsy misoratra ara-panjakana aminy aza ny tany. Mila fanavaozana tanteraka io lalàna mikasika ny fananan-tany eto io. Io ao Bas Mangoky io izao dia araraotina ilay olona satria tsy mahay taratasy. Misy lalàna koa nefa milaza fa rehefa teo ireo olona nanajary anatina fe-potoana voafaritra mazava tsara dia tokony anjaran’ilay fanjakana no manamora ny fahazoan’ilay tany sy kara-tany. Tsy izay anefa no ataony fa fanararaotana ny olona. Ny mpitantana ilay CAT na komity mitsinjara ny tany dia voalohany ao ny governoran’Atsimo andrefana. Misy ny ben’ny tanàna ao amin’ireo kaominina miisa 3 voakasika. Misy ny lehiben’ny fokontany, Dinabe, nofidian’ny fokonolona fa rehefa avy eo miteraka resabe. Inona moa no maha diso ny olona raha manondro ny lehiben’ny faritra Atsimo andrefana ho tomponandraikitra voalohany amin’ny olana momba ity raharaha ity? Izy no mitarika ilay CAT ary mazava ho azy fa izy no mibaiko ny hoe iry omena sy tsy omena. Ny vahaolana nefa dia tsy misy afa-tsy ny famerenana ny tanin’olona fotsiny. 3 lahy izao no nosamborina sy gadraina ao Morombe. Hiakatra fitsarana izy ireo ny alatsinainy izao, raha ny vaovao heno farany. Misy olon-kafa voaantso koa any izao. Izany hoe fampitahorana no ataon’ny fitondram-panjakana fa tsy fitadiavana vahaolana. Efa vita ilay tatatra na «canal» vaovao fa tsy ekena kosa ny hoe rehefa vita izay dia esorina amin’ny taniny ny olona. Mikasika ny Base Toliara moa dia namoaka praograma ankampobeny na PGE iny ny fitondram-panjakana. Isan’ny heverin-drizareo ho entina hampandrosoana izany ilay fametrahana toeram-pitrandrahana miisa 20 eto Madagasikara. Isan’ny laharam-pahamehana ny Base Toliara, ny tany tsy fahita firy na «terre rare» any Ambanja, Nosy be, Ambahiny sy ny karazany iny. Efa nandà ilay fitrandrahana hatrany am-boalohany ny mponina. Heno izao fa hoe hisokatra izy amin’ity volana martsa ity ary hahazo alalana amin’ny jolay. Amin’izao fotoana izao vao fantatra hoe hay ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany ankehitriny, Olivier Rakotomalala, dia efa mpiasan’ny Base Toliara teo aloha. Isan’ny manome antoka ny fisokafan’ny Base Toliara izany izy. Tsy hijanona amin’ny fitrandrahana fasimainty fotsiny nefa fa hiampy monazita koa. Jereo amin’izany ny fanaovana tsinontsinona ny olona. Tsy omenay ny taninay, hoy hatrany ny tenany izay nilaza fa isan’ireo tompon’ny tany!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap