hoy ny Randrana sendikaly, ny alakamisy teo satria nampahafantatra nialohan’izay fa hihaona aminy eny ka rehefa tsy nisy namaly moa izany dia neverinay fa raikitra izany iny alakamisy iny kanefa tsy niakatra birao moa izy tamin’ny ora nahatongavanay teny hatramin’ny zoma satria hoe nisy fihaonana tamin’ireo solombavambahoaka. Nisy, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga, omaly, ny didim-panjakàna mikasika ny karama farany ambany fa ny antony nampiatoana ny fandehanana teny dia satria manomboka amin’ity herinandro ity ny fanadinam-panjakàna BEPC mitohy amin’ny Bakalorea. Soatoavin’ny sendika mihitsy, hoy izy, ny fitsinjovana sy firariantsoa ho an’ny zaza malagasy. Nahafaly ny naheno ny kabarin’ny praiminisitra teny Tsimbazaza hoe efa eny Mahazoarivo ny Randrana sendikaly mitaky ny hamoahana ny didim-panjakàna momba ny karama ary efa hivoaka izay didy satria nisy ny marimaritra iraisana. Eo no mitodika ny fanontaniana lehibe avy amin’ny Randrana sendikaly hoe iza no nanipy hoditr’akondro ny praiminisitra? Hoditr’akondro tsinona izany fanasàna ny praiminisitra hilaza fa nisy marimaritra iraisana izany. Ny GEM ve no nanome izany hoditr’akondro izany sa ny minisiteran’ny asa? Hoditr’akondro ny filazàna fa marimaritra iraisana iny hoe 300.000 Ariary nanomboka ny volana martsa dia ho 315.000 Ariary amin’ny oktobra. Afaka manambara ny Randrana sendikaly, izay isan’ireo sendika solontenan’ny mpiasa miisa 4, hoe tsy nisy ny marimaritra iraisana. Tsy marimaritra iraisana teo amin’ny mpiasa sy mpampiasa iny fa sosonkevitry ny GEM iny navoakan’ny fanjakàna ho didy ho karama farany ambany iny. Amin’ny maha mpiaro ny tombontsoa sy zon’ny mpiasa ny sendika dia tsy miteny mihitsy ny sendika hoe manaiky na tsia amin’ireo resaka ireo fa mandray ary manentana ny mpiasa rehetra handray izay omeny rehetra. Hanomboka hanara-maso izay tsy mampihatra azy ireny aza. Tsy midika izany hoe mitsahatra eo ny tolona sendikaly. Mampiahiahy be mihitsy tsinona izao ny resaka dinika sosialy eto Madagasikara raha izany. Potika tanaty fotoana fohy ny fivoizana ny fanatanterahana ny dinika sosialy satria tsy vokatrana dinika sosialy no nivoaka. Mahatsikaiky ny naheno hoe niantso sendika marobe ny minisiteran’ny asa dia nampahafantatra hoe ireto ny didim-panjakàna misy ary voalaza koa aza hoe efa nivoaka tany amin’ny Facebook hatramin’ny laharan’ny didim-panjakàna mbola hivoaka amin’ny hoavy. Aiza anaty fitantanan-draharaham-panjakàna no misy izany hoe didim-panjakàna mbola hivoaka dia efa fantatra sahady ny laharany? Na izany na tsy izany dia tongava aty amin’ny Randrana sendikaly izay mbola tsy ampiharan’ny tompon’ny orinasany an’iny didim-pitondràna iny ary tokony hiaraka daholo ny fanefàna ireo tsy hefa na «Rappel». Betsaka ny mbola tokony ho resahina amin’ny praiminisitra sy ny filohan’ny fanavaozana raha ny mikasika ny tontolon’ny asa, raha tsy hilaza afa-tsy ny resaka fahasalamàna sy ny ara-tsosialin’ny mpiasa fotsiny, ankoatry ny resaka karama izay mampiady hevitra amin’izao, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija