airtel

Sosialy

04-nov-2022

Sosialy

Reraky ny adin-tsaina sy ny fitadiavana Maro ny olona tratry ny « fatigue générale »

Sample post image

Reraky ny adin-tsaina amin’ny fampandehanana ny fiainana amin’ny andavanandro ny ankamaroan’ny olona amin’izao.

04-nov-2022

Misy miteny irery mihitsy ny sasany eny am-pandehanana eny raha tsy vitsy ireo lasa adala. Ho an’ireo mbola mahavita manohitra ihany dia ny fatigue generale no tena mamely azy ireny. Ankoatra ny fiasan-tsaina mantsy dia miasa mafy amin’ny fiaretan-tory sy ny fanaovana asa maro ihany koa ny vatana mba hahazoana vola betsaka. Tsy mitsahatra izany na dia amin’ny faran’ny herinandro aza indrindra fa ho an’ireo maro an-trano. Antony tena mampahazo vahana ny fatigue générale izany raha araka ny fanazavan-dRamandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Betsaka ireo olona nambarany fa voan’io faharerahana tanteraka io amin’izao, izay tsy maintsy miditra hopitaly mihitsy rehefa tena voa mba asiana serum….Rehefa tratry ny fatigue mantsy ny olona iray dia nambarany fa mirongatra daholo ihany koa ireo karazan’aretina maro ao anaty ka ilana fitsaboana mafonjabe. Notsindriany ary fa mahafaty ny fatigue generale ka ilana fitandremana. Vahaolana narosony ho an’ny rehetra araka izany ny tokony hihinanana sakafo ara-pahasalamana hatrany. Misy mihinana betsaka ihany isika Malagasy hoy izy fa tsy ampy kalitao. Toraka izany ihany koa ny fakana aina misitaka kely miaraka amin’ny fianakaviana mihitsy na dia indray mandeha isam-bolana ihany aza mba hanalana ny vesatry ny saina sy ny hareraham-batana.
Pati
Legende : Any amin’ny hopitaly vao mijanona ireo olona tratry ny fatigue générale
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap