airtel

Sosialy

31-janv-2024

Resaka asa any Chine

70 mianadahy voafitaka

Sample post image

Misy hatrany ny mpamitak’olona eto amintsika ary tsy mitsahatra ny

31-janv-2024

mitady hevitra mba hahazoam-bola izy ireny. 70 mianadahy indray omaly no nanainga avy any Ambalavao fa nisy nampanantena asa any Chine no sady handraisan-karamabe. Noho ny tonga tao Fianarantsoa anefa izy ireo omaly Talata ihany dia akory ny hahatairan'izy ireo fa tsy tonga ilay fiara saika hitondra azy ireo hiakatra eto Antananarivo. Ankoatra izay dia tsy voalohan'ilay Ramatoa nitondra azy ireo ihany koa ny vidin-tsakafon’izy 70 mianadahy raha nisakafo atoandro tao amin'ny trano fisakafoanana iray tao Fianarantsoa izy ireo. Marihina fa tsy misy manana taratasy ireto olona nampanantenaina hiasa any Chine ireto. Voatery notazonin’ny mpitandro ny filaminana ilay tompon'andraikitra noho izany koa andrasana izay mbola mety ho tohiny. Marihina moa fa misy hatrany ny tranga tahaka izany eto amintsika. Ny mahagaga anefa dia misy hatrany koa ireo voa izay tsy hay intsony na tsy mahay maka lesona na tratry ny fandraikiraikena.
Pati
Legende : Nisavoritaka tamin’ny fiara tahaka izao izy 70 mianadahy !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap