airtel

Sosialy

13-janv-2026

SARIBAO-LEGIOMA

Hifampitadiavana, miaka-bidy eny an-tsena

Sample post image

Hifampitadiavanabe ny saribao sy ny

13-janv-2026

legioma eny an-tsena amin'izao. Noho ny tsy fisiany sy ny halafosany no antony mahatonga izany. Ho an'ny saribao manokana ohatra raha mpivarotra 3 no nivarotra izany téo aloha amina tanana iray dia tsy misy afa-tsy iray sisa ankehitriny no sady mbola lafobe ihany koa. Tafiakatra 40.000 Ar ny iray gony raha iray famarana kely tsy misy gadoany ny 500 Ar. Noho ny haratsian'ny lalana hitaterana ny entana vokatry ny ranon'orana no nambaran'ny mpivarotra iray fa antony mahatonga izany. Mitsahatra tsy mamokatra ihany ireo mpanamboatra saribao noho ny ranon'orana ihany. Ho an'ny legioma indray dia fantatra fa mbola vokatry ny ranon'orana ihany koa no antony tsy mampisy azy eny an-tsena. Tapitra potika sy lo avokoa ny anana, voatabia...antony mampidangana ny vidiny eny an-tsena. Lasa 3.000 Ar ohatra vao mahazo ovy iray kilao. 500 Ar ny voatabia iray, 500 Ar vao mahazo anana iray fehezana....Mitaraina avokoa ny Renim-pianakaviana vokatr'izany rehefa miantsena. Tsy ampy hividianana ireo karazana kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavanandro intsony izay vola entina eo am-pelatanana. Tsiahivina moa fa mbola amin'ny volana Martsa any ho any vao hitsahatra ny ranon'orana eto amintsika. Vao manomboka mihitsy araka izany ny maitso ahitra fotoana mampidangana ny vidin'entana eny an-tsena ka tokony samy hiomana sy hahay handamina amin'ny fiatrehana izany ny rehetra.
Pati
Légende : Fotoana mampiakatra ny vidin'ireto karazana kojakoja Ireto izao fotoam-pahavaratra izao !
 

Dans la même rubrique