airtel

Sosialy

26-mars-2025

Sendika eto Madagasikara

«Lazaina fa mpanohitra rehefa mitaky ny zony»

Sample post image

Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny

26-mars-2025

Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga, dia lazaina fa misy sendika eto Madagasikara. Rehefa mitaky ny tena zony kosa, izay voafaritry ny lalàna sy fifanarahana iraisampirenena, hoy izy, nefa ilay sendika ka mikitikitika ny paikady tsy mahasoa ny mpiasa dia lasa raisin’ny fitondràm-panjakàna ho toy ny fahavalo. Misy sasany milaza mihitsy aza moa hoe mpanohitra. Lazaina fa mpanohitra rehefa mitaky ny zony. Raha te hampandroso firenena dia ny mpiasa no mila jerena. Tsy any amin’ny fanjakàna ihany ny mpiasa fa aty amin’ny sehatra tsy miankina koa. Tsy afaka hanara-maso akaiky ny mpiasa aty amin’ny tsy miankina na miasa tena nefa ny fanjakàna. Izay aloha no hita sy tsapa hatramin’izao ary antony ilàna ny sendika. Ampahatsiahivina ny fitondràm-panjakàna fa mpiara-miombona antoka ara-tsosialy na «partenaire sociaux» ny fanjakàna sy sendika rehefa miresaka tontolon’ny asa. Tokony hanampy an-dry zareo hoe misy an’izao atsy amin’ny orinasa tahaka izao, inona no tokony hifanampiana hamahana ny olana? Tokony hararaotin’ny fanjakàna mihitsy ny fahasahian’ny sendika mbola mijoro, na dia eo aza ny famoretana any ambadika any sy fisarihana fanambatambazana samihafa, hoe inona no vahaolana sy paikady mazava entiny? Mandalo eto amin’ny sendika daholo ny olana ara-tsosialin’ny mpiasa rehetra. Ho tapitra afaka andro vitsy ny 3 volana voalohan’ity taona 2025 ity. Nafana iny! Mena midorehitra toy ny fanamian’ny Randrana sendikaly ny tabilao nanamarika hoe marary ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Nivoaka ny didim-panjakàna mikasika ny filankevim-pirenena momba ny asa na CNT. Hitondra zavatra tsara eo amin’ny tontolon’ny asa amin’izay ve? Miandry isika mandra-pahatapitr’ity 3 volana ity hoe inona no fanovàna nentin’ny fitondràm-panjakàna ho an’ny fanatsaràna ny paikady ara-tsosialy ho fampandrosoana eto amin’ny tany sy ny firenena ao anatin’izay rehetra izay, hoy hatrany ny Randrana sendikaly. Ho an’ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE kosa dia atahorana hiteraka savorovoro, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael, ny lalàna na sata mifehy ny asa vaovao, izany hoe, ny «code de travail». Niara-nanamafy ny ity sendika ity sy ireo namany toy ny Randrana sendikaly sy ny SMARM na ny Sendikan’ny mpiasan’ny angovo sy ny akoran’afo eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo fa misy andininy maro tokony hiverenana ao anatin’izay lalàna na sata mifehy ny asa izay.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2025

Nilanja sora-baventy tetsy Anosy omaly ireo mpivarotra manodidina iny radiom-pirenena iny.

Card image cap
30-avril-2025

Mivaralila tanteraka ny famatsiana herinaratra sy rano ao amin’ny boriboritany fahatelo

Card image cap
29-avril-2025

Mahazo vahana tanteraka ny fisaraham-panambadiana eto amintsika.

Card image cap