airtel

Sosialy

10-oct-2023

Sendika FISEMARE

“Ohatran’ireny heloka bevava ireny ilay maneho hevitra!”

Sample post image

Lasibatra foana hatramin’izay ny mpiasa na misy grevy na tsia, hoy ny Firaisamben’ny sendika malagasy

10-oct-2023

revolisionera na FISEMARE. Raha vao tsy mihatra amin’ny ambaratongam-pitondrana ny lalàna dia misy fiantraikany aty amin’ny tontolon’ny asa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphaël, satria miara-tsy manaja lalàna daholo ny avy any ambony hatrany ambany. Zo fototra izany manao filaharana an-dalambe na maneho hevitra izany. Raha voasakantsakana koa io dia mbola misy fiantraikany amin’ny mpiasa. Tamin’ny fetin’ny asa ny 1 may izao narirarira ny mpiasa hankalaza izany. Nampitahorina mihitsy aza! Niroso ihany moa ny fitambaran’ny sendika teto Madagasikara. Tsy vao androany no nisy fampiasana hery famoretana. Na eny amin’ny tontolon’ny asa aza io misy. Mahagaga ihany hoe mpitandro filaminana misaro-tava no midina eny an-dalambe manaparitaka mpanao fihetsiketsehana. Ohatran’ireny heloka bevava ireny ilay maneho hevitra! Tsy afa-miala moa ny sendika satria olompirenena ihany koa ary araka ny efa nambara teo dia miantraika aty amin’ny tontolon’ny asa ilay zava-misy, hoy hatrany ny FISEMARE nanamafy fa tsy maintsy hisy fanapahan-kevitra iraisan’ireo sendika rehetra manerana ny nosy ato ho ato.
J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana

Card image cap