Tratra ny Zoma lasa teo izy ireo ka nopotehina na nanaovana ilay destruction par dissolution et incinération rehefa voatily sy voamarina. Ho fiarovana ny mpanjifa no antony nanatanterahan’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana izany, niarahana tamin'ny solontenan'ny ACSQDA sy ny tompon’andraikitry ny hetra natrehan'ny tompon'andraikitr'ilay orinasa. Tao amin'ilay toerana nametrahana ireo sira ireo ihany no nanaovana izany. Antoka iray lehibe ho an'ny fahasalaman'ny mpanjifa ny fihinanana sira misy ioda, raha tsiahivina. Sel de guérande 48 boaty milanja 250grama isanisany, Sel de mer gros La Baleine 352 pake milanja 1 kg ary Sel fin 41 boîtes milanja 250 grama isanisany no nodorana tamin’izany.
Pati
Legende : Nandritra ny famotehana ireo sira !
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana