airtel

Sosialy

03-juil-2026

Tamberim-bidy avy amin’ny QMM

Nisy kaominina tsy nisitraka

Sample post image

nandritra ny 5 taona

03-juil-2026

Tena manara-maso akaiky ny hafitsok'ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany eto amintsika ny fiaraha-monim-pirenena. Anisan'izany ny OSCIE na ny fitrandrana harena an-kibon'ny tany mitondra fampandrosoana lovainjafy tarihin-dRabenandrasana Clement. Raha araka ny fanazavany tamin'ny mpanao gazety omaly izay marihina fa nozarainy traikefa ihany koa mba hahamatihanina azy ireny dia nisy tamin'ireo kaominina nolalovan'ny fitrandrana harena an-kibon'ny tany nataon'ny QMM no tsy nisitraka ny tamberim-bidy azo avy tamin'izany akory tao anatin'ny 5taona niasan'ny Ben'ny tanana iray. Lany foana io fe-potoam-piasana io hoy izy fa niala maina ilay Ben'ny tanana. Ankehitriny anefa nisy vokany ihany io ezaka nataon'ny fiaraha-monim-pirenena io ka fantatra fa 95 miliara Ar no tamberil-bidy azon'ireo kaominina voakasika izay mihoatra ny 20 isa. Efa ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakana io lela-vola io ka misy amin'ireo kaominina no nahazo 19 miliara Ar. Na izany aza anefa mbola tsy azo kitihina io vola io raha araka ny fanazavan-dRabenandrasana Clément. Miankina amin'ny traikefa sy ny fahalalan'ilay Ben'ny tanana mantsy no hahafahany mampiasa io vola io mba hisy fiantraikany amin'ny fiainam-bahoaka mivantana izany. Toraka izany koa ny hiarovana azy ireny tsy hiditra am-ponja vokatry ny fahaizany mampiasa na mikirakira izany. Saika kaominina manamorona ny lalam-pirenena faharoa avokoa moa ireo voakasika ireo. Nanampy ny OSCIE nanofana ireo mpanao gazety ihany koa ny EITIE Madagascar.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra nizara fahalalana tamin'ny mpanao gazety omaly !

 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

77%n’ny ankizy eto Madagasikara

Card image cap
03-sept-2026

Manolotra fitaovam-pianarana 1 200 ny Fondation Axian

Card image cap
02-sept-2026

tsy miaraka amin’ny mpiasa izany!»

Card image cap
02-sept-2026

karazam-bary vaovao "Besalohy" ny FOFIFA

Card image cap
02-sept-2026

mampiana-janaka

Card image cap