airtel

Sosialy

09-janv-2025

Tandrametaka sy fampitoniana saim-bahoaka

Hahena ny vidim-bary afarana ! Afaka iray volana sy tapany…

Sample post image

Nampanantena indray ingahy Filoha Andry Rajoelina fa afaka iray volana na iray volana sy tapany dia ezahana

09-janv-2025

hampidinina ho 750Ar ny kapoakan’ny vary hafarana. Nilaza hiara-hiasa amin’ny mpanafatra vary ny Fitondrana. Inona no iandrasana iray volana mahery kanefa izao no efa mikaikaika amin’ny vidiny 4000Ar mahery ny vahoaka sa lalaovina indray aloha ? Vary mora hafarana ve no vahaolana sa ny politikam-pamokarana mahomby ? Ho an’ny vary gasy, nambara fa hisy fepetra horaisina mba ho zakan’ny Malagasy. Ampy hatramin’ny fiandrasana ny fiakaram-bokatra hatramin’ny aprily ny vokatra, raha ny fanazavana tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Nolazaina fa apetraka ny lalàna hisorohana ny fanararaotana be loatra. Nolazaina fa tamin’ny 2023 dia nihena 483 miliara ny vola nanafarana vary, nihena 109 tapitrisa dolara ny fanafarana vary tany ivelany. Tamin’ny 2024 dia nihena hatrany amin’ny 223 miliara Ar ihany koa ny volma nivoaka tamin’ny fanafarana vary. Izay no nahafahana nitana ny sandam-bola tsy hahavery lanja ny vola Malagasy, hoy i Andry Rajoelina niezaka nanatsara ny fitondrany na efa iaraha-mahita aza fa milentika ny Firenena. Nambara fa zavatra tsara vita tamin’ny fambolem-bary. Misy kajy tokony hatao, ka tsy mitombina hoe : alaina 800Ar dia amidy 1200Ar ny kapoaka. Mila andraisana fepetra, hoy i Andry Rajoelina nilaza fa nitombo ny vokatra ary nihena ny fanafarana ka ny ato anatiny no mamaritra ny vidiny. Nolazaina fa miaro ny tantsaha, ka tsy maintsy jerena ny tombony mihoampampana alain’ny mpijirika sy mpanangom-bokatra. Mamelona ny tantsaha ve ny vary hafarana 750Ar ny kapoaka ? Any Alaotra, nalaina 1800Ar tamin’ny novambra ary misy mivarotra 2200-2400Ar amin’izao, hoy ny Minisitry ny varotra. Mbola kely ny vokatra eto noho ny fomba famokarana sy fitaovana, ka nandeha ny fitanisana fa mila atao maoderina, hanao ny « transformation agricole » nanampy tetibola 116 miliara, misy famatsiam-bola 30 tapitrisa dolara, misy 200 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, hoy ny Fanjakana. Hampiasa 100 000 tapitrisa dolara any Menabe sy Atsinanana ny sinoa amin’ny fambolem-bary. Mikasa hanao ambim-bava 1000000 taonina ka nodokafana mafy hatrany ny vary safiotra sinoa izay nolazaina fa ho avy amin’ity janoary ity ny masomboly,… 7,8 tapitrisa Ar isaky ny hekitara ny lazaina fa tombony ho an’ny tantsaha amin’ny fambolena io vary sinoa io. Tena hoe : azo antoka 100% sy mitondra voka-tsoa noho ny vary sy masomboly vokarina eto ve ? Ny resabe mipoapoaka fa asa hanao ahoana ny fanatanterahana ? Miharihary fa tara 5 taona raha kely satria tamin’ny andron’ny covid-19 dia nolazaina fa ny artemesia no mampidi-bola noho ny vary ka nandrisihana ny olona hamboly an’io. Mby aiza izao ?
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hanokatra ny fankalazana ny faha-10 taonany ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

Card image cap
16-janv-2025

Ankoatran’ny hoe tsy mihinana in-3 isan’andro intsony dia efa tsy vitsy koa ankehitriny

Card image cap