Raikitra ny fanadiovana sy fisokirana tata-drano ho an'ireo Fokontany miisa 5 mandrafitra ny kaominîna ambànivohitr'i Tanjombato, distrikan'Atsimondrano hisorohana ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra. Nanomboka ny faran'ny herinandro teo izany, haharitra 5 andro, hiarahana amin'ny Ministeran'ny Mponina, tarihin'ny Ben'ny tanana. Mifanome tanana amin'izany ny fokonolona isam-paritra izay nanaovana fanentanana ihany koa mba tsy hanary fako sy plastika eny rehetra eny indrindra any anaty tatatra . Izany mantsy no tena fototry ny fahantsentseman'ny lakan-drano manerana ny Faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ny fandraisanao andraikitra dia fiaraha-mientana sahady amin'ny fampandrosoana ny tanana hoy ny Ben'ny tanana. Ny Fokontany Ankeniheny moa no Fokontany nampikolay sy naloto indrindra nanerana ireo Fokontany miisa 5 izay marihina fa atahorana mafy amin'ny tondra-drano ihany koa ka nanaovana ezaka manokana.
Pati
Légende : Mafotaka tahaka izao ny asa fanadiovana