airtel

Sosialy

04-mars-2026

TETIKASA NEXT LEAD

Tanora 18 mianadahy hahazo fiofanana

Sample post image

Raikitra ilay tetikasa Next Lead.

04-mars-2026

Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly Talata 03 Martsa tetsy Mahamasina ny fanombohan'ny tetikasa izay manana tanjona hanofana tanora ho tompon'andraikitra. Tanora 18 mianadahy no tsara vintana sy voafantina tamin'izany amin'izao fiandohana izao hiarahana amin'ny Liberty 32. Andao hiara-hamolavola ho avy tsara toerana. Io no loha-hevitra hampitondraina ny fiofanana. Nambaran-dRafidison Seta mpandrindra nasionaly eo anivon'ny tetikasa fa ny tanora no antoky ny ho avy. Mila.tohanana sy ampiana araka izany izy ireny mba hananany traikeg'fa tsara. Tafiditra ao anatin'izany ny resaka demokrasia, ny fampandrosoana, ny fametrahana fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara...Ohatra tsotra noraisiny ny mikasika ny fomba hahafahan'ny tanora mirotsaka an-tsehatra amin'ny raharaham-pirenena indrindra taorian'ny tolom-bahoaka nisy teto amintsika nanomboka ny 25 Septambra lasa teo... Tanora mahay, mandray andrakitra feno amin'ny fiainam-pirenena no tanjona nefa maodely ho an'ny hafa ihany koa na ara-pitondrantena na amin'ny lafiny hafa.
Pati
Légende : Santionany tamin'ireo tompon'andraikitra nanatrika ny fotoana omaly !

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap