airtel

Sosialy

28-avril-2025

Sosialy

Trano vaovao eny Andavamamba Tontosa ny ankitsapaka ho an'ireo fianakaviana 84

Sample post image

Tontosa ny 26 aprily 2025 teo ny ankitsapaka entina mizara ny tranon’ireo fianakaviana miisa 84

28-avril-2025

hisitraka ireo toeram-ponenana vaovao. Izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa Produir. Tamin’ny fomba mangarahara no nanantanterahana izany, hoy ny fampitam-baovao voaray, ary natrehina vaditany sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, indrindra, ireo tokantrano miisa 84. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny mponina sy ny firaisankina, Aurélie Razafinjato, sy ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany, Miangaly Rabodomalala, ny solontenan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, ny mpandrindra ny tetikasa ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. «Zava-dehibe ny fampiroboroboana ny mahaolona. Efa tsara ny trano onenanareo, ny fiainanareo ihany koa tokony mivoatra manaraka izany.», hoy ny minisitry ny mponina sy ny firaisankina tamin’ny hafatra nampitainy tamin’ireo mpisitraka ireo. «Raha tsy nafoinareo ny toerana manamorona ny lakandrano C3 nonenanareo dia afaka niroso tamin’ny fanamboarana io lakandrano io ny tetikasa. Aoka ianareo no ho fitaratra satria izay vao tena manomboka ny asa ho anareo! Manomboka izao, ho tompon-trano ianareo fa tsy ho mpisitraka intsony. Misy andraikitra lehibe miandry anareo, ny voalohany indrindra dia ny fikojakojàna.» hoy ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany tamin’ny fanentanany. Efa miditra amin’ny dingana famaranana ny fanamboarana ny toeram-ponenana vaovao eto Andavamamba, hoy izy. Nanafatra sy nanentana hatrany ny minisitry ny mponina sy ny firaisankina fa zava-dehibe ny ezaka amin’ny fivoarana, indrindra, fa amin’ny lafiny ara-pivelomana. Mila manana velon-tena maharitra. Hanome tantsoroka hatrany ny fitondram-panjakàna amin’izany, ny minisitry ny mponina sy ny firaisankina.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

Card image cap
12-juin-2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

Card image cap
12-juin-2025

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

Card image cap
12-juin-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

Card image cap