airtel

Sosialy

05-avril-2024

TRATRY NY FAHIRANO I ALASORA

Tsy hanaiky intsony ny mponina fa hitohy higrevy

Sample post image

Leo ny tsy fisian-drano lavareny hiainany ireo mponina ao Alasora Avaradrano indrindra

05-avril-2024

fa ny ao amin’ny Fokontany Alasora tampon-tanana sy ny ao Miadana. Ireo nampiditra rano tao an-tokantranony no tena voakasik’izany nefa tsy mahazo rano indray mitete afa-tsy in-telo isan-kerinandro raha misy. Teo aloha io tranga io fa ankehitriny dia efa ho telo volana izao no tsy nahazo rano intsony ny mponina nefa ny hofana kaonteran’ny JIRAMA tsy maintsy aloha isam-bolana. Tsy nahatanty izany intsony fa nirohotra tao amin’ny biraon'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy ny mponina omaly mba hangataka vahaolana fa tena mijaly loatra. Ankoatra io hofana kaontera io mantsy dia mahatratra 20.000 Ar isam-bolana raha kely ny vidin-drano alohan’ny tokantrano iray. Tafakatra 1.500 Ar mantsy ny rano iray bidon miloko mavo vao tonga any an-tokantrano miaraka amin’ny karaman’ilay mpatsaka sy ny sarany hividianana azy. Nambaran’ny Ben’ny tanana nandritra izany fa fitarainana fotsiny ihany ny tenany fa ny JIRAMA no tena tompon’andraikitra amin’ity tsy fisian-drano ao Alasora ity. Tsy niandry ela ny tenany araka izany fa nanao antso avo tamin’ny JIRAMA no sady niantso ny Ministry ny rano ihany koa mba hijery akaiky ny olan’ny rano hiainan’ireo mponina ao Alasora. Nomarihin’ireo mponina moa fa hitohy hanao ny fitakiana izy ireo raha toa ka tsy misy ny vahaolana maharitra hatolotry ny JIRAMA azy. Efa nasehon’izy ireo omaly hariva sahady izany tamin’ny alalan’ny fandoroana kodiarana niampy horakoraka.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokonana notanterahin’ny mponina omaly !


 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap