airtel

Sosialy

07-févr-2023

Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika Zaza manodidina ny 6 hetsy mila vonjy any Atsimo

Sample post image

Mbola tena henjana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any Atsimon’ny Nosy. Ny ankizy no tena mizaka ny tsy eran’ny ainy, ary isan’ny olana ny tsy fahampian’ny hoenti-manana ara-bola hoentina miatrika izany.

07-févr-2023

Nanamafy izany ny Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana momba ny ankizy na ny UNICEF, fa tena mbola anatin’ny fahasarotana hatrany ny zava-misy any atsimon’I Madagasikara. Na teo aza ny fihatsarana noeritreretin’ny Firenena Mikambana tao anatin’ny IPC Phase 3 amin’ny tondro momba ny tsy fanjarian-tsakafo,, mbola ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo ny any Atsimo. Ny haintany ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny faharefoana nateraky ny rivodoza no isan’ny nambaran’ny UNICEF fa isan’ny antony lehibe miteraka ny fahalemena any an-toerana. Ny ankizy no tena mijaly, ary ny 600 000 amin’ireo dia tena mila vonjy maika, raha ny antontan’isan’ny UNICEF. Mba hiatrehana an’izany, mila vola hatrany amin’ny 40 tapitrisa dolara, hoy io rafitra io. Tamin’ny taona 2022, tsy nahasehaka afatsy ny 39% amin’ny filàna ny vola nisy. Voatery tsy maintsy nifehy ny zava-misy sy nijery ireo tena marefo ny UNICEF. Ny any Atsimo izay, fa saika manerana ny Nosy ny fahasahiranana amin’ny ankampobeny. Ny seraseran’ny Fitondrana dia maneho, fa 250 tapitrisa dolara no vola natokan'ny Fanjakana Malagasy ho an'ny haraton’aina sosialy izay fizarana vola mivantana amin’ny vahoaka sahirana. Famatsiam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena anefa io ary efa nankatoavin'ny Filankevim-pitantanan’io rafitra ara-bola io ny 21 desambra 2022 lasa teo. Tsy hoe indray mitosaka anefa io fa mandritra ny 4 taona, mba hanampiana ireo tokantrano tena sahirana sy mahantra fadiranovana eto Madagasikara. Haraton’aina ara-tsosialy izay entina hanohanana ny rafitra nasionaly momba fiahiana ara-tsosialy sy ny fiatrehana ny fahantrana nateraky ny krizy io, izany hoe tafiditra ao anatin’ny tetikasa PFSS (Projet de Filets Sociaux de Sécurité de Madagascar)", fitohizan’ny tetikasa vatsin’ankohonana efa hatrany amin’ny Fitondrana Rajaonarimampianina. Hahakasika ireo faritra 23 eto Madagasikara, ka 3 tapitrisa latsaka ireo olona hisitraka fanampiana miainga amin’io, manome 13%n’ireo tokantrano voasokajy ho tena mahantra fadiranovana. Zava-dehibe izany satria tena mila fanohanana ny Malagasy, fa miantso ny hisian’ny vahaolana tena mahafaobe eo anatrehan’ny vidim-piainana tsy zaka iainana intsony, ny fampiakarana ny fahefa-mividy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap