Efa ela no nahalalàna fa mora dibo-drano i Antananarivo rehefa fahavaratra. Maro ihany koa ireo karazana fanazavàna sy porofo fa tsy tongatonga ho azy ny tranga fa isan’ny tena nahatonga ny olana ireo karazana fanorenana tsy ara-dalàna misy eto Antananarivo renivohitra, ny fanotorana tany tsy ara-dalàna sy tsy araka ny tokony ho izy fa eo ihany koa ny tatatra izay zary lasa ataon’ireo mponina fanariana fako sy maloto. Tsentsina vokatr’izany ireo lakan-drano na tatatra tokony ho lalan’ny rano mba tsy haha tondraka ny tanàna rehefa tonga ny rotsak’orana. Maro koa nefa ireo anaran-tanàna tokony efa nahafantaran’ireo mponina hatrany am-boalohany fa tsy azo hanorenana trano mihitsy. Isany, ohatra, i Anosibe, amin’ny maha nosy azy. Eo koa Ampefiloha satria matoa misy ny fefiloha dia misy rano ao izany. Betsimitatatra dia tatatra handehanan’ny rano. Tao Andavamamba dia tsy velona ny mamba raha tsy misy rano. Mbola misy koa eo akaiky eo izany Ampefiloha Ambodirano izany, izay araka izany anarana izany nisy fefiloha nanamorina ny rano. Raha hiresaka hoe Antohomadinika isika karazana ganagana dia manidina dia maka aina anaty rano ny atao hoe toho. Raha hiresaka hoe Andranomanalina dia mbola misy rano hatrany ihany koa fototr’izany toerana izany. Lasa sarotra ho an’ireo nifandimby nitantana ny tanànan’Antananarivo, noho izany, ny namaha izay olana mikasika ny fitondraky ny rano rehefa fahavaratra na fotoanan’ny orana izay. Heverina fa isan’ny olana goavana miandry hatrany izay hifandimby hitantana an’Antananarivo io ankoatran’ny hoe famahàna ny olan’ny fako sy ny trosan’ny kaominina samihafa na olana hafa ankoatran’izany rehetra izany. Hita ho somary mahagaga ihany anefa ny antony hifandrombahan’ireo mpanao politika sasany hiditra amin’izany.
J. Mirija