airtel

Sosialy

05-avril-2024

Vahoaka leo delestazy

Nafana ny fihetsiketsehana tany Anivorano Avaratra

Sample post image

Tsy mijanona eto Antananarivo sy any amin’ireo renivohi-paritany na tanàn-dehibe samihafa intsony

05-avril-2024

ny fitakiana marolafy manoloana ny olan’ny Jirama. Raikitra ihany koa omaly ny grevy goavana tany Anivorano Avaratra, Faritra Diana nitakiana ny fiverenan’ny herinaratra amin’ny laoniny. Samy nandray izay zavatra tandrify azy, toy sora-baventy, takotra,… ireo vahoaka, ka raikitra ny diabe sy horakoraka eraky ny tanàna. Mitaky ny hisian’ny vahaolana maharitra fa tsy fialana tsiny sy fialana bala lava. Nilaza ireo vahoaka fa hanohy hatrany ny fitakiany mandra-pisian’ny vahaolana mahafa-po azy ireo. Midika aloha ny sary miseho manerana ny Nosy, fa tsy olana teknika loatra no tena mitranga fa olana ara-bola, ary toa mbola manamafy hatrany an’ilay fampihenana 20% ny solika ampiasaina manerana ny Nosy. Mety betsaka ny tsindry, toy ny tsy fampikatsoan’ireo mpamatsy herinaratra ny miliny, tahaka ny ao Mahajanga izay zara raha 3500KW amin’ny 14500KW ny herinaratra afaka sitrahana ao Mahajanga noho ny resa-bola, raha ny vaovao herinandro lasa izay. Ny hany ezahan’ny Fanjakana hamonoana ny afo dia ny fitanisana lava ny tetikasa parcs solaires 50MW, ka vao ny alarobia teo tao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra no nitaterana ny fandraisan'ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin'ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ilaina amin'ny tsenan'asam-panjakana entina hamatsiana foibe famokarana herinaratra azo avy amin'ny masoandro manana tanjaka 50 megawatts ireo, ao anatin 'ny tetikasa "projets parcs solaires» hiarahana amin'ny JIRAMA amin'ireo toerana efa nofaritana hametrahana izany, izay tsiahivina fa 47. Fahatongavana entana andiany faha-9 ka hatramin'ny faha-12 indray no voakasik'ity fepetra ity, hoy ny fanamarihana. Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan'ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin'ny fanafarana entana mikasika ny fampidirana ireo fitaovana teknika afaran'ny orinasa JIRAMA ho an'i Mananara sy Sainte Marie. Fanampiana ara- bola avy amin'ny firenena Belge izy ity, ao anatin'ny tetikasa FINEXPO. Zava-dehibe ireny, saingy tsy tena mbola hahavaha olana aloha, fa toa natao hampitonitoniana vahoaka, hany ka haverimberina lava. Ny Jirama etsy an-daniny tsy miha mitraka fa miha rendrika, ka isan’ny fositra ny Fanjakana tsy mahay mitantana.
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap