airtel

Sosialy

31-janv-2023

Sosialy

Variana tamin’ny fandresen’i Barea ny olona Niakatra 3.300 Ar ny kilaon’ny vary omaly

Sample post image

Raha mbola variana sy faly tamin’ny fandresen’ny ekipam-pirenena Barea an’i Mozambika tamin’ny isa 3 no iray avokoa ny rehetra omaly dia misoko mangina hatrany ny fisondrotry ny vidin’entana eny an-tsena,

31-janv-2023

indrindra fa ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Tafakatra 3300 Ar ny iray kilao tamin’ny vary makalioka omaly raha mbola 3000 Ar tamin’ny faran’ny herinandro. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray dia hatrany am-potony mihitsy io vidim-bary miakatra io. Noho ny haratsian’ny lalana vokatry ny rotsak’orana no nambarany fa anton’izany ka manosika ireo fiara vaventy rehetra hampiakatra ny saran-dalana hitaterany izany ihany koa. Saika nimenomenona avokoa vokatr’izany ny ankamaroan’ny mpividy tonga teny an-tsena omaly. Lela-vola 3000 Ar hatrany mantsy no nomanina mba hividianana vary iray kilao saingy voatery nampiana 300 Ar indray izany vola tokony namidy fangaron-daoka kely. Raha araka ny nambaran’ireo mpivarotra moa dia mbola mety hiakatra hatrany ny vidim-bary mandrapahatapitry ny fotoam-pahavaratra eto amintsika.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-sept-2023

Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na

Card image cap
28-sept-2023

Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony

Card image cap