airtel

Sosialy

17-févr-2022

Sosialy

Vidin-tsavony midangana Ny vahoaka hatrany no manentsina ny banga

Sample post image

Midangana izay tsy izy ny vidin’ny savony amin’izao, ary tena nisongadina io nanomboka ny fiandohan’ny febroary. Milaza ireo orinasa mpamokatra savony fa noho ny fiakaran’ny tataon-ketra na “droit de douanes”

17-févr-2022

 amin’ireo bondillons na ny bolabolan-tsavony no antony fototra. Nakarin’ny fitondram-panjakana ho 20% izany tataon-ketra izany raha 10% izany teo aloha. Raha ny fantatra dia ny SIM (syndicat des industries de Madagascar) sy ny fadin-tseranana no nitaky io fampisondrotana io, hoy ny fanazavana. Nambara fa akora efa vita na “produit fini” ny “bondillon” hany ka manimba ny tsenan’ireo orinasa tena malagasy izay manafatra akora, izay voatery tsy maintsy ahodina. Ho an’ny fadin-tseranana kosa indray dia tafiditra anatin’ny paikady hampiakarana ny vola miditra anatin’ny kitapom-bolan’ny ministeran’ny vola ity fampiakarana ny tataon-ketra ity. Raha izay tokoa ny tanjona, nahagaga ny tsy nampiakarana ny tataon-ketra amin’ireo vokatra na entana lafo vidy fa entana ilain’ny vahoaka amin’ny andavanandro no iharany. Mbola anatin’ny vanim-potoanan’ny krizy ara-pahasalamana vokatry ny Covid ny firenena, mbola ampian’ny rivodoza mampitombo ny fahasahiranana. Vanim-potoana izay tena ilana savony. Hisy fiantrakainy ao amin’ny kitapom-bolan’ny tokantrano tsirairay ity fiakaran’ny vidin’ny savony ity. Ny Fanjakana minia jamba sy marenina ; Tsy misy ihany koa ny vahaolana avy amin’ireo orinasa izay voalaza fa tsy mampiasa ny « bondillon » ho akora fototra. Tsy mahahenika ny tsena akory ny entana izay vokarin’izy ireo ary toa nirona ihany koa amin’ny fampiakarana izany vidin-tsavony izany na dia tsy nisy aza ny fiakaran’ny tataon-ketrany, hoy ny fanamarihana. Ireo solombavambahoaka nantenaina hiaro ny tombotsoan’ny vahoaka dia lasa zary manohana ny orinasa vitsy izay tsy mikendry hafa -tsy ny tombotsoany manokana. Nilaza moa ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola tamin’ny adihevitra teny amin’ny antenimieram-pirenena, fa vola hatrany amin’ny 200 miliara Ar no tsy hiditra amin’ny kitapombolam-panjakana raha tsy tanteraka io 20% io, ka dia nolaniana, hany ka any amin’ny vahoaka no lasa hanentsenan’ny orinasa ny banga. Hinia hikipy ve ny Fanjakana eo anatrehan’izao fahoriam-bahoaka izao sa mba hijery vahaolana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap