airtel

Sosialy

08-avril-2024

Vidin’ny PPN

“Misy fidinany kely ny vary”

Sample post image

Tafidina hatrany amin’ny 2500 Ar ny kilaon’ny Vary gasy amin’izao fotoana izao

08-avril-2024

raha 2400 Ar ny Semence sy ny Varin’Ambatolampy. Anatin’ny fararano isika dia miaka-bokatra ny eto an-toerana. Manaraka vanim-potoana toy izao foana ny vidin’entana isan-taona, araka ny fanazavan’ny mpandraharaha ara-barotra eny Anosibe, Juliette Ranaivomanana. Midina koa ny vidin’ny menaka sy ny lafarinina.Paik’adin’ny fitondram-panjakana hialàna tsikelikely amin’ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany ny fampitomboana ny vokatra sy famokarana eto an-toerana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Raha ampitahaina amin’ny tamin’ny taona 2022 dia nihena tany amin’ny antsasany ny fanafarana vary avy any ivelany. Raha mandalo fotoanan’ny maitso ahitra ny fanjifana vary isan-taona, eo amin’ny volana Oktobra ka hatramin’ny volana Aprily, dia voafetra ihany koa ny fotoana mahavokatra ny fary ka ahafahan’ny orinasa mpanamboatra siramamy mihodina. “Mampiakatra ny vidin’ny siramamy amin’ny vanim-potoana sasantsasany koa izany”, hoy ny Tale misahana ny Varotra anatiny eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), Andriniaina Randriamiaramahefa.
Pati
Legende : Manomboka midina ny vidin’ny PPN eny an-tsena !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap