airtel

Sosialy

09-mai-2023

Sosialy

Vita malagasy-vokatra rofia Haodina hanara-penitra, hisy toeram-panodinana ao Antanetibe

Sample post image

Tena malaza be ireo karazana kojakoja vita Malagasy vita amin’ny rofia amin’izao eto amintsika.

09-mai-2023

Ankoatra ireo tera-tany Malagasy dia mampiasa azy ihany koa ny tera-tany vahiny izay marihina fa tena mafy tokoa no sady mihaja. Hanampy ireo orinasa misehatra amin’izany ireo mpamatsy vola. Anisan’izany ny Kaloes izay orinasa iray misehatra amin’izany eto amintsika. Mamokatra ireo karazana kojakoja vita Malagasy vita amin’ny rofia izy io. Paikady hampihariny araka izany ny hametraka ozinina ao Antanetibe hikarakara sy hanary ireo rano maloro mandritra ny fanodinana ilay vokatra rofia. Hamatsy vola ity tetikasa ity ny banky MCB Madagascar. Tafiditra ao anatin’izany ny fikarakara ireo rofia miainga eny am-potony, fanamainana azy ireny, ny fandokoana azy ho azo havadika fitaovana hampiasaina…Nahazo tombony manokana ihany koa ny orinasa afaka haba Epsilon izay mpamokatra fitafiana haondrana any ivelany. Ny banky BNI Madagascar no mamatsy vola azy noho ny traikefa hananany ka ankoatra ny fametrahana ivon-toerana hahafahana manary ireo kojakoja tsy ilaina intsony mandritra ny fanodinany ireo karazana fitafiana dia hananganana toeram-pisakafoanana sy toeram-pivoahana ho an’ny mpiasa ihany koa ao amin’ity orinasa iray ity. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ilay fandaharan’asa SUNREF avokoa izany rehetra izany, izay tsy mialonjafy ho an’ireo orinasa manandratra ny vita Malagasy sy manohana ny mpiara-belona.
Pati
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap