airtel

Sosialy

28-août-2025

VOKATRY NY FIHINANANA TACOS

Olona 20 mahery naiditra hopitaly tany Antsiranana

Sample post image

Olona maherin'ny 20 isa no naiditra hopitaly tany Antsiranana ny faran'ny herinandro teo.

28-août-2025

Raha araka ny loharanom-baovao dia nisy narary an-doha, kibo, fanina....izy ireo taorian'ny fihinanana tacos. Voatery nifandimby naiditra hopitaly izy ireo vokatr'izany, tranga mbola niseho hatramin'ny omaly Alarobia 27 Aogositra.Na izany aza dia tsy misy atahorana ny fahasalaman'izy ireo hoy ny mpitsabo. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy rahateo izy ireo. Ilay sakafo tao anatin'ilay tacos moa no ahiana tsy ho zakan'ireo nihinana azy toy ny nofon-trondro, ireo karazana saosy....
Nangonin'i Pati
Légende : Mbola misy tsy salamabe ato amin'ny hopitaly ireo olona avy nihinana ilay tacos !
 

Dans la même rubrique

29-mai-2026

Nitrangana haintrano goavana tao

Card image cap