airtel

Sosialy

29-avril-2024

ZAZA TSY HITA NENTIN’NY MPANAMPY AN-TRANO

Ramatoa nivahiny tao amin’izy ireo ihany no nitondra azy mianaka

Sample post image

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

29-avril-2024

Tao an-tranona Ramatoa iray nilaza ho jamba izy ireo no natory sy niantrano raha araka ny vaovao azo. Ramatoa niaraka tamin'izy ireo avy any Mahajanga io Ramatoa io raha ny fantatra. Nilaza ny Rain’i Christiano ilay very fa nampiantrano io Ramatoa nilaza ho jamba io izy ireo. Nilaza fa handeha hiverina hody any Nosy-Be, toerana fiaviany anefa ilay Ramatoa tamin’io Zoma io kinanjo izao tratra tany Antsohihy niaraka tamin’i Christiano sy ilay mpitaiza azy izao. Tsiahivina moa fa efa nantsoina ny findain’ity Ramatoa ity saingy nilaza izy fa tsy nahita an’i Christiano sy ilay mpitaiza azy. Rehefa noterena ihany izy dia nilaza fa nampiantrano azy mianaka indray ka mbola hatao fanadihadiana ao Antsohihy ilay Ramatoa milaza ho jamba sy ilay mpitaiza an’i Christiano hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay. Anatra ho antsika diso mahatokitoky olona loatra ity tranga ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 3 mianaka !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap