airtel

Sport

07-juin-2023

Sport

Adina ara-panatanjahantena bakalorea Am-polony ireo tovovavy hita fa bevohoka tany Atsimo Andrefana

Sample post image

Fotoana hahatrarana ny tovovavy iray mitoe-jaza ny fanaovany fanetseham-batana mafy loatra toy ny fanaovana fanatanjahantena.

07-juin-2023

Tsy misy hafa amin’izany ny zava-nitranga tany amin’iny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy iny. Tovovavy am-polony niatrika ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea no fantatra fa bevohoka. Nanomboka ny 30 may ka hatramin’ny 03 Jona lasa teo no nanaovana izany adina ara-panatanjahantena izany. Saika isan’andro dia nahita tovovavy mpiadina mitondra vohoka hatrany ny tompon’andraikitra hoy ny vaovao ka misy efa nahatratra efa-bolana mihitsy ny an’ny sasany raha vao manomboka manana kosa ny sasany. Misy amin’ireo mpiadina ireo anefa no vao 14 na 15 taona monja raha efa misy mahatratra 20 taona kosa ny sasany. Najanona tsy afaka nanohy ny adina ara-panatanjahantena tokony nataony moa izy ireo raha vantany vao fantatra izany. Mbola andrasana kosa na raha azo ekena na tsia ny fahafahany mandray anjara amin’ny adina ara-panatanjahantena am-bava na ny teoria. Mampiavaka ny faritra Atsimon’ny Nosy ny firosoan’ireo ankizy tanora aloha loatra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo, antony mampisy izao tranga izao ihany koa.
Pati
Legende : Nahitana tovovavy bevohoka maro ireo niatrika ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea tany Toliara
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana

Card image cap
26-sept-2023

Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam

Card image cap
26-sept-2023

Notanterahina ny alahady 24 septambra teo ny hazakazaka ho an'ny fandriampahalemana na

Card image cap
25-sept-2023

Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.

Card image cap
25-sept-2023

Rehefa mitavozavoza manao zavatra dia lasan'ny olona ilay noheverina hitondra ny Barea A.

Card image cap