na koa hoe Ethan Eliasy dia lasan’ny klioban’ny KVC Westerlo, divizionina voalohany ho an’ny latsaky ny 17 taona ao Belzika, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Baolina kitra eto no resaka. 14 taona ity tovolahy teratany malagasy ity. Efa mirefy 1,83 metatra sahady nefa. Faharoa amin’izao fotoana izao ny filaharan’ity klioba nandray azy ity eo amin’ny fifaninanam-pirenena belza. Nanomboka fiainana vaovao ity tanora manan-talenta ity satria nanao sonia tamin'ny fomba ofisialy niaraka tamin'ny KVC Westerlo mandritry ny roa taona. Klioba miisa 5 sahady hatreto no efa nandalovany dia ny KV Ostend ho an’ny latsaky ny 9 taona na U9, OHL (U11), Saint-Trond (U12 sy U13), Beerschot (U14 sy U15) ary ankehitriny Westerlo (U17). Mpanafika afovoany no toerana misy azy hatreto fa afaka maka ny toeran'ny elatra roa. Mahay mamono baolina tokoa ny tifitra tsara ary mampihaiky ny fifehezana baolina. Efa mampiaiky volana koa ny fahamatorany eo amin'ny kianja. Manana zom-pirenena miisa 4 izy dia ny frantsay sy malagasy tamin'ny alalan'ny rainy, Kongoley sy Belzika tamin'ny reniny. Heverina fa zava-dehibe dien’izao ny fitrandrahana ireo talenta hoavy tahaka an-dry Ethan itony.
Nangonin’i J. Mirija
Nikatona tanteraka tanteraka ny alahady teo ny “Ligue des Nations 2025”.
Azo lazaina ho tsaratsara ny vokatra ho an'ny Barea Cosafa izay
Ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy, izay eo ambany