Hiatrika fanamby goavana eran-tany indray ny ekipam-pirenena Malagasy lahy sy vavy eo amin’ny taranja basikety lalaovin’olona telo. Handray anjara amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany « FIBA 3x3 » ny 1 ka hatramin’ny 7 jona 2026 ny ankoay. Dingana vaovao lehibe ho an’ny basikety malagasy ity fidirana amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ity, taorian’ny fandresena teo amin’ny sehatra kontinantaly satria raha tsiahivina dia azon’ireo ekipa Malagasy roa tonta ny tompondakan’i Afrika, nandritra ny fifaninanana natao teto Madagasikara ny desambra 2025. Ho an’ny ekipa lahy, izao no fandraisana anjara fahatelo amin’ny Mondial, taorian’ny fisehoana voalohany tany Vienne, Aotrisy, tamin’ny 2023 sy tany Oulan-Bator, MongolIE, tamin’ny 2025. Ny ekipa vavy kosa dia hanohy ny fandraisana anjara faharoa misesy, taorian’ny fisehoana voalohany tamin’ny Mondial 2025 tany Mongolie. Hanainga ny zoma 29 mey izao ho any Varsovie, any Pologne, noho izany ny Ankoay roa tonta. Eo am-piandrasana ny fiaingana, mbola mitohy ny fanomanana fatratra ataon’ireo ekipam-pirenena. Ny Federasiona Malagasin’ny Basket Ball (FMBB), miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, no mandrindra ny fanomanana rehetra ho fanatrarana ity hetsika iraisam-pirenena ity.
Toky R