airtel

Sport

19-nov-2026

Trophée

International de Madagascar de Karting

Sample post image

Lasa “Trophée Faly Andrianafetra”,

19-nov-2026

hangotraka ny fifaninana amin’ny alahady
Nisokatra pejy vaovao eo amin’ny tontolon’ny karting eto Madagasikara. Ho fanomezam-boninahitra an’i Faly Andrianafetra, iray amin’ireo mpisava lalana sy mpanorina ny taranja, dia hitondra ny anarany manomboka izao ny « Trophée International de Madagascar de Karting ». Hotanterahina ny alahady 22 novambra 2026 ao amin’ny circuit SRK Imerintsiatosika ny andiany faha-26 amin’ity fifaninanana malaza ity, izay hanamarika amin’ny fomba ofisialy izany fanovana izany. « 6 taona izy izay no nandao antsika i Faly, kanefa ny zavatra napetrany dia efa taranaka 3 nifandimby no mandova azy, mbola eo foana ilay zavatra napetrany, ka rariny sy hitsiny raha ampitondraina ny anarany ny fifaninanana manomboka izao », hoy Rajoelison Mamy Filohan’ny SRK. Niorina tamin’ny taona 2001 ny « Trophée International de Madagascar de Karting » ary nanjary iray amin’ireo fifaninanana tsy azo sarahina amin’ny tetiandro ara-panatanjahantena eto an-toerana. Nandritra ny 26 taona nisiany dia tsy tapaka ny fikarakarana azy ary nahasarika mpanamory sy vahiny maro avy any ivelany. Araka ny nambaran’ny mpikarakara , ny fanomezana ny anaran’i Faly Andrianafetra ny amboara dia fankasitrahana ny anjara biriky lehibe nentiny tamin’ny fampandrosoana ny karting sy ny fanatanjahantena mekanika teto Madagasikara. « Tsy vitan’ny namorona ny « circuit » izy fa betsaka ny zavatra niaraka tamin’io toy ny scooter, run,… », hoy hatrany i Rajoelison Mamy, izay nanipika fa 25 taona no nisian’izany rehetra izany, ary tena nanana fijery lavitra i Faly amin’ny maha tia fanatanjahantena mekanika. Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fampandrosoana ny karting i Faly Andrianafetra. Izy no isan’ireo mpanorina ny Club Serana Racing Kart ary filohany voalohany. Ny circuit SRK ao Imerintsiatosika, izay anisan’ireo toeram-pilalaovana karting tsara laza indrindra eto amin’ny faritra, dia vokatry ny ezaka sy ny fijery lavitra nananany ihany koa. Nahazo fankasitrahana iraisam-pirenena mihitsy io lalana io ary isan’ireo circuit tsara indrindra aty Afrika.
NAMOAKA KALAZA MARO
Mpanamory maro no nandalo tao ary nahazo sehatra hanehoana ny talentany. Anisan’ireo nisongadina indrindra i Loïc Duval, izay lasa tompondaka eran-tany amin’ny « endurance » tatỳ aoriana, mpandresy tamin’ny « 24 Heures du Mans » ary nahazo anaram-boninahitra maro tany Japana sy Frantsa. Tsy vahiny amin’ity fifaninanana ity ihany koa ireo mpanamory eoropeanina malaza sy ireo solontena avy amin’ny nosy manodidina ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ireo nalaza ireo Frantsay Wilfried Imbert sy Cédric Bouaroux ary ilay Italiana Gianni Palmieri, vice-champion du monde de karting tamin’ny taona 1997. Eo amin’ny tantaran’ny fifaninanana dia maro ireo Malagasy nahavita nametraka ny anarany teo amin’ny lisitry ny mpandresy. Manomboka amin’i Johan Charpilienne, nahazo ny fandresena voalohany tamin’ny 2001, ka hatramin’i Nomena Randrianarisoa, tompondaka farany tamin’ny 2025. Isan’ireo nandravaka ny tantaran’ny Trophée ihany koa i Gérard sy Hugo Louvel, Alexandre Guerrier Tommi Raojelison, Mahary Rabary, Mboara Razafindratsimba. Nanjakazaka i John Andry Ratoby izay efa in-dimy tompondakan’i Madagasikara, Timothée Andriamaminijarison,… izay isan’ireo hifaninana amin’ireo talenta vaovao misandratra amin’ny alahady izao. Ny fifaninana natao tany Afrika Atsimo 2 taona lasa dia namiratra ny Malagasy, hiviny kely no ntsy nahazoantsika ny voalohany, tokony ho « podium » daholo ny 3, izay midika fa niakatra ny lentan’ny mpanamory Malagasy tao anatin’ny 5 taona, raha ny nambaran’i Mamy Rajoelisolo.
FANILO MIAMPITA
Eo amin’ny lafiny fifaninanana, hizara sokajy telo ireo mpandray anjara amin’ity andiany voalohany mitondra ny anarana Trophée Faly Andrianafetra ity, dia ny Minime ho an’ny 8 hatramin’ny 12 taona, ny Junior ho an’ny 12 hatramin’ny 14 taona ary ny Elite ho an’ny 14 taona no ho miakatra. Hisy ny « séance d’essais », ny dingana fanasokajiana, ny « pré-finale » ary ny « finale », ao anatin’ny làlana mirefy 1.850 metatra, izany hoe ampiasaina ny « ciruit » manontolo amin’ity. 15km isaky ny manche, ary ny famaranana dia eo amin’ny 28 minitra eo, izany hoe tena hangotraka. 31 eo ny mpandray anjara izay ahitana ireo sokajy « minime » eo amin’ny 8 eo. Ankoatra ny lanja ara-panatanjahantena, mitondra hafatra lalina kokoa ity fanovana anarana ity. Tsy fifaninanana fotsiny intsony ny Trophée Faly Andrianafetra, fa fahatsiarovana velona ho an’ity lehilahy iray nanokana ny ainy hampandroso ny karting sy ny fanatanjahantena fiarakodia eto Madagasikara. Amin’ny alalany no hamelomana sy hampitana amin’ny taranaka vaovao ny finiavana, ny fitiavana ary ny lova navelan’ireo mpisava lalana nahatonga ny karting malagasy ho eo amin’ny sehatra misy azy ankehitriny, hoy ireo mpikarakara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-nov-2026

Ahiana mafy mbola hitotongana ny Barea

Card image cap
19-nov-2026

Rehefa tsy mahafehy baolina

Card image cap
18-nov-2026

Ajanony aloha !

Card image cap
18-nov-2026

Ligy miisa 2 no tsy tonga

Card image cap