118 ny isan’ireo atleta sy vahiny tonga eto Antananarivo mandritr’izao tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja ady totohondry nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso alakamisy 19 novambra 2026 izao, hoy ny filohan’ny federasionin’ny taranja ady totohondry, Hery Mamy Rabarisoa. Anjaran’ny federasionina sy ny ligin’Analamanga no mampiantrano azy ireo, hoy ny fanazavàny. Miisa 13 ireo ligy namaly ny antso. Ligy miisa 2 ihany izany no tsy tonga, izay mbola misy voasazy ao anatiny. Na iaraha-mahalala aza ny fahasahiranana mianjady amin’ny federasionina amin’izao fotoana izao dia mbola mandeha hatrany ny fifaninànana ka isaorana sahady ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena, amin’ny alalan’ny Tafita, nanome ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena, amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ny federasionin’ny ady totohondry. Nanampy betsaka koa ny lehiben’ny faritr’Analamanga ka isaorana ihany koa. Entanina ny rehetra, indrindra, ireo malala-tanana hanampy ny ady totohondry izay efa niaraha-nahita hatrany fa nanandratra avo ny voninahi-pirenena malagasy, hoy hatrany ny federasionin’ny ady totohondry.
J. Mirija