Mbola sahy nanazava ihany ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ankehitriny, Corentin Martins, fa na dia teo aza ny fahadisoam-panantenana tamin’ny vokatra dia afa-po tamin’ny zava-bitan’ireo mpilalaony izy ary mikendry ny haka ny isa 3 amin’ny lalao manaraka. Hiezaka izahay hiomana tsara mba hahazoana ny isa telo, hoy ity tekinisianina frantsay ity. Ho sarotra ny lalao, hoy izy. Rehefa diso fanantenana amin’ny lalao iray na amin’ny vokatra azo dia tsy maintsy manarina ny loha sy mijoro indray. Manana mpilalao mahay izy ireo, izany hoe, ny ekipam-pirenen’i Guinée Bissau, izay milalao any amin’ireo klioba lehibe any Eoropa. Tsy tokony hohadinoina fa efa nandresy an’i Nizeria tamin’ny isa 3 noho 0 izy ireo. Izany no antony mahafa-po ahy amin’ny zava-bitan’ireo mpilalaoko. Niatrika ekipa tena matanjaka izy ireo. Tena naniry ny handresy tamin’ity lalao ity izahay, hoy hatrany ny fiarovan-tenan’ity mpanazatra ity nanoloana ny sahala 1 noho 1 tamin’i Guinée Bissau tao Maraoka, izay lalao naha mpampiantrano antsika, farany teo. Eo amin’ny laharana faha 3 ankehitriny no misy ny Barean’i Madagasikara ao amin’ity vondrona L ity ary hiatrika ny lalao miverina any Guinée Bissau isika izao. Heverina fa kely dia kely ny herijika hahazoan’ny Barea ny tapakila hankanesana any amin’ny amboaran’i Afrika na CAN 2027, mba tsy ilazàna hoe naman’ny efa tsy misy intsony, saingy hita ho nifindràn’ny aretin’ny fitiavan-tseza toy ireo mpitantana ny baolina kitra malagasy hafa rehetra eto amin’ny firenena io koa nefa izany ankehitriny ity mpanazatra ity! Lalao miisa 5 nisesy nefa izany izao no tsy nahazoan’ny malagasy fandresena intsony hatramin’izay nitondràn’i Corentin Martins azy izay.
J. Mirija