fikaonandoha taorian'ny CAN 2019
6 taona lasa izay, indray 28 janoary 2020, dia nisy fikaonandoha neverina ho goavana indrindra hatramin'izay nisian'ny finiavana hitsabo ny baolina kitra malagasy teny amin'ny CCI Ivato teny. Nanokatra azy tamin'ny fomba ofisialy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena tamin'ny fotoan'andro, Tinoka Roberto. Mbola teto an-toerana ihany koa ny filohan'ny Federasionina malagasin'ny baolina kitra na FMF tamin'izany fotoana izany, Raoul Arizaka Rabekoto. Naresaka moa tamin'ireny fotoana ireny fa tsy nitovy loko sy fijery politika tamin'ny fitondràna nijoro tamin'izany fotoana io filohan'ny FMF tamin'izany io ka na dia maro aza ireo neverina ho "mararim-baolina", izany hoe, tena te hahita ilay baolina kitra malagasy hisandratra ambony, vory lanona teo, dia niniana nampatoriana hatramin'izao iny fikaonandoha taorian'ny CAN 2019 iny. Tao anatin'ny neverina fa hafanam-po tanteraka ireo mpankafy ny baolina kitra, eny, ny rehetra nahatsapa tena fa malagasy tamin'izany fotoana izany fa tsy tokony hidina intsony ny vokatra azo tany amin'ny amboaran'i Afrika na CAN 2019, izay tsy vitan'ny hoe sambany nandraisan'i Madagasikara anjara fa avy hatrany dia nahatongavana tany amin'ny 1/4-dalana ihany koa. Ny fanenjehan'ilay fitondràna tamin'izany ilay filohan'ny FMF neveriny ho tsy nitovy loko politika taminy indray moa nefa avy eo no nanohy ny tantara no sady niampy ny fametrahany ny olony teo amin'izany fitantanana ny FMF izany ary dia izao iaraha-miaina ankehitriny izao ny vokany. Miverina marary indray ny baolina kitra malagasy rehefa nafangaro lalina tamin'ny adilahy politika.
J. Mirija