airtel

Sport

16-nov-2026

Lalaon’ny

Barea rahampitso

Sample post image

Voasazy tsy afaka milalao i Rado sy Nicolas

16-nov-2026

Mbola ho sarotra ny lalao miverina amin’ Guinée-Bissau ho an’ny Barea rahampitso anatin’ny andro faha-4 amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2027, taorian’ny ady sahala tamin’ny lalao mandroso. Tsy afaka hijoro i Rado Rabemanantsoa sy Nicolas Randriamanampisoa, izay samy voasazy tsy hahazo milalao taorian’ny fahazoana karatra tamin’ny fihaonana teo amin’i Madagasikara sy Guinée-Bissau ny alakamisy teo, kanefa efa nahazo karatra tamin’ny andro faharoa, kanefa voafaritry ny lalàna mifehy ity fifaninana ity fa ny mpilalao tsirairay izay mahazo fampitandremana (karatra mavo) indroa amin’ny lalao roa samihafa mandritra ny dingan’ny fifanintsanana dia voasazy ho azy tsy afaka mandray anjara amin’ny lalao manaraka." Samy anisan’ireo mpilalao fototra eo amin’ny ilany havia sy ilany havanana amin’ny fiarovan-tenan’ny Barea izy mirahalahy, ka mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny paikadin’ny mpanazatra frantsay ny tsy fisian’izy ireo. Manoloana izany toe-javatra izany dia tsy maintsy hitady vahaolana haingana i Corentin Martins amin’ny famenoana ireo toerana roa ireo. Mety hanome herijika ny mpilalao sasany mbola tsy dia nahazo fotoana firy teo aloha, na koa hisy fanitsiana ara-taktika hataon’ny mpanazatra mba hanamafisana ny fiarovana sy hitazonana ny fifandanjan’ny ekipa. Anisan’ny nantsoina noho ny fahabangana misy moa i Jean Pierre Morgane, izay naratra tany amin’ny fiandohan’ny « Fenêtre FIFA » Na izany aza, tena sarotra ny lalao, saingy inoana fa afaka haneho sy hanaporofo fa mahavita ireo mpilalao hafa, indrindra fa ireo mbola tsy dia nomen’ny mpanazatra fitokisana hijoro. I Corentin Martines izay tsy tena mbola tsapa aloha ny fahombiazany sy tena endri-dalao apetrany ho an’ny Barea mba ahitam-bokatra. Andaniny, efa tena ratsy toerana sy tsy dia misy herijika firy intsony isika, raha toa ka efa any amin’ny CAN 2027 indray ny ilan-tongotry ny Kaomorianina izay mety ho tafita fanintelony misesy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

Niniana nampatoriana ny

Card image cap
16-nov-2026

Tompondakan'ny Rallye

Card image cap
16-nov-2026

Tsy kely, tsy lehibe,

Card image cap
13-nov-2026

Marary ny Barea A…

Card image cap