airtel

Sport

16-nov-2026

Barea U23

Mba resy 0 noho 1 fotsiny!

Sample post image

Tsy kely, tsy lehibe,

16-nov-2026

tsy afaka daholo, hoy ny hakivian'ny mpanohana ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina ny sabotsy taorian'ny tsy fahombiazan'ny Barea zokiny na Barea A, rehefa nanao sahala 1 noho 1 tamin'i Guinée Bissau, nandritry ny lalao mandroson'ny fifanintsanan'ny amboaran'i Afrika na CAN 2027 sy ny faharesen'ny Barea latsaky ny 23 taona na U23 tamin'ny isa 0 noho 1 koa nanoloana an'ny Bafana bafana na ny ekipam-pirenen'i Afrika atsimo. Lalao mandroso fifanintsanana ho an'ny CAN U23 koa io. Ny an'ireto zandry kely ireto moa ilay nisy an'iny mpanazatra azy voasakana teny Ivato iny saingy na inona na inona fialàna aloha dia tsy misy ahafahana miteny mihitsy izao toe-draharaha izao hoe efa salama ity fanatanjahantena raisin'ny firenen-kafa any aminy ho raharaham-pirenena fa tsy mba ohatran'ny hita eto amintsika ity. Nahakivy ireo mpanohana ny ekipam-pirenena ny nahita ireo zandry kely tsy nahita baolina nanintsy ny haraton'ny mpifanandrina na "tir cadré" mihitsy. Ny fitazonam-baolina zara raha nanodidina ny 20%. Tolotra 1 sy 2 dia very avy eo ny baolina. Nataon'olona "demi-terrain" na tsy tafiditry ny kianjan'ny mpifanandrina hatramin'ny farany, hoy ny fanehoan-kevitra. Hoatran'ireny nantsoina fahazaza hoe manao "sôm-sôm" ireny ny afrikanina tatsimo teny ambony kianja. Mba 0 noho 1 fotsiny aza no niafaràny kanefa na izany na tsy izany dia efa kaontin'ny nilalao an-tanàna aloha izany isika tamin'iny satria tsy manana kianja tena manara-penitra eto Madagasikara. Asa fotsiny izay hanjo amin'ny lalao miverina fa dia tena nanavotra ny harato malagasy aloha tamin'ity lalao ity ny mpiandry tsatoby, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

Niniana nampatoriana ny

Card image cap
16-nov-2026

Voasazy tsy afaka milalao i Rado sy Nicolas

Card image cap
16-nov-2026

Tompondakan'ny Rallye

Card image cap
13-nov-2026

Marary ny Barea A…

Card image cap