nanaha-dray i Fred Rabekoto
Tontosa ny Alahady 15 novambra 2026 tao Moramanga ny RIM (Rallye International de Madagascar) andiany faha-46 rehefa naharitra telo andro. Ekipazy niisa 26 no nifaninana. Samy naneho ny fahaiza-manaony ny mpanamory. Tsy nifampikoso-maso satria iny rahateo no dingana farany. Nibata fandresena tamin'izany sady voahosotra ho tompondakan'i Madagasikara taona 2026 eo amin'ny rallye i Frédéric Rabekoto, nanamory Mitsubishi Evo X niaraka tamin'i Rakotomalala Andrianjafy A.T. Fred Rabekoto no nandimby an'i Mathieu Andrianjafy, izay tompondaka farany. Sambany i Fred no nahazo ity anaram-boninahitra ity. Tsiahivina fa mpanao rallye ihany koa i Nonot Rabekoto, rainy. Ity farany izay tompondakan'i Madagasikara tamin'ny taona 1995, nitondra Peugeot 205 Rallye. Nanaha-dray i Fred araka izany. Tompondaka lefitra 2026, eo amin'ny laharana faharoa i Olivier Ramiandrisoa nanamory Mitsubishi Evo X niaraka tamin'i Randriambololona Mahenintsoa. Teo amin'ny laharana fahatelo i Mathieu Andrianjafy sy Young Nathanaël nitondra Subaru. Teo amin'ny laharana fahaefatra i Razafinjoelina Tahina sy Fifaliana zanany vaviaivo nitondra Subaru Async. Avy amin'ny klioba ASACM avokoa ireo ekipazy efatra tonga voalohany ireo. Amin'ny 2027 indray !
Jean D.
Ireo nibata fandresena tamin'ny RIM 2026 (Sary YAS)