Mila harenina ! Miala izay tsy mahomby !
Tsy avotra intsony ! Resy indray e ! Raha mba nanokatra herijika sy fanantenana kely ny ady sahalan’i Tanzanie sy Nigeria ho an’ny Vondrona L ao anatin’ny fifanintsanan’ny CAN 2027, dia nilentika tanteraka nanohy ny tsy fahazoana fandresena ny Barea omaly. Ny Nosy rahavavintsika atsy Comores anefa efa manakaiky ny hanao CAN fanintelony misesy. Mbola Nomontsanin’i Gunée-Bissau 2-0 indray isika, ka nanamafy ny maha laharana voalohany azy amin’ny alalan’ny isa 10, raha faharoa kosa i Nigeria manana isa 7, fahatelo i Tanzanie manana isa 2, ary mitana ny rambony kosa isika, amin’ny alalan’ny isa 2 monja. Tsy nahita fandresenana iray aza tamin’ireo lalao 4 vita, fa faharesena 2 sy ady sahala 2. Tao anatin’ny lalao 6 faran’i Corentin Martines tsy nisy vokatra, fa toa zary mamoaka lisitra mpilalao sy mandahandatra izay tiany hajoro,… dia izay no hanaramana mpanazatra frantsay 18 000euros na 90 000 000Ar isam-bolana? Na ny mampijoro sy mandahatra ireo mpilalao aza anefa toa manahirana ihany ny mijery azy, ka toa mpilalao tsy dia tafiditra no omena fotoana lava hilalaovana, ka na misy aza ireo hafa tokony hotrandrahana sy homena herijika betsaka toa an-dry Nicolas Fontaine sy ry Fenohasina, dia misy manafana seza hatrany, ary misy zara raha homena minitra vitsy,... Ny federasionina na ny FMF moa efa ela no naha be resaka, saingy tsy azo kitihina satria rafitra manokana ambany elatry ny FIFA ! Dia mahagaga ve raha hatramin’izao mbola misy ireo zavatra tsy manjary fohazin’ireo mpilalao fahiny tahaka ireo nampiakatra avo ny voninahi-pirenena tamin’ny CAN 2019. Aty amin’ny 7 taona aty aoriana isika, tsy mety tafavoaka intsony, tsy ananantsika intsony ny lenta hanao CAN mainka fa « mondial », saingy tsy mahataitra ny mpitantana. Na kianja hilalaovana aza moa an-taonany maro tsy nahazo fankatoavana saingy tsy misy vahaolana mahomby ka vokatra inona no antenaina ? Manomana ny CAN 2029 indray sisa no azo atao na ny aoriany mihitsy raha mbola izao tsy fahombiazana izao no mitohy! Sao tokony hikisaka amin’izay izay tsy mahomby fa efa ela izay niaretana tsy fahombiazana izay, ary ajanona sy harenina tanteraka mihitsy aloha ilay baolina kitra ? Manana ivon-toerana ankatoavin’ny FIFA isika eny Carion ka maninona raha homena lanja ny fananganana ekipam-pirenena mifototra eto hampiasana teknisiana Malagasy homena fitokisana sy fahefana feno raha hiantso divizionina faha-3 na faha-4 any Eoropa ihany ?
Toky R