airtel

Sport

19-nov-2026

Filaharan'ny

FIFA faha 105 lasa faha 109

Sample post image

Ahiana mafy mbola hitotongana ny Barea

19-nov-2026

Taorian’ireo lalao miisa 2 tsy nahazoany fandresena nifanandrinana tamin’i Guinée-Bissau, dia mbola very toerana miisa 4 indray ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara eo amin’ny filaharana FIFA, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Raha faha105 izany teo dia lasa faha-109. Manana lalao miisa 2 moa sisa ny Barea ao anatin'izao fiadiana ny tapakila hankanesana any amin'ny amboaran'i Afrika na CAN 2027 izao. Lalao izay tsy hahafahana mahazo izany tapakila izany intsony anefa ireo fa dia ny fanatsaràna ny laharana eo anivon'ny Federasionina iraisampirenen'ny baolina kitra na FIFA izay izany sisa azo tsinjovina ao anatin'izany rehetra izany. Efa samy miaiky nefa ankehitriny ny maro an'isa, indrindra, ireo mpanohana ny ekipam-pirenena, fa samy tsy mbola nahomby ary paozin'ny tsy hahomby intsony mihitsy ny fitantanana ny baolina kitra malagasy amin'izao fotoana izao, manomboka any amin'ny filohan'ny federasionina hatrany amin'ny mpanazatra ny ekipam-pirenena ankehitriny, Corentin Martins, izay karamaina 18.000 Euro be izao. Ahiana mafy araka izany fa mbola hitotongana io laharana io raha tsy misy fepetra raisina aingana, indrindra, fahatsapan-tenan'ireo efa hitan'ny maro fa tsy mahomby nefa mbola tsy mametra-pialàna hatramin'izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-nov-2026

Lasa “Trophée Faly Andrianafetra”,

Card image cap
19-nov-2026

Rehefa tsy mahafehy baolina

Card image cap
18-nov-2026

Ajanony aloha !

Card image cap
18-nov-2026

Ligy miisa 2 no tsy tonga

Card image cap